18 marsa — I Cyrille de Jérusalem dia teraka tao Jerosalema nanodidina ny taona 315. I Acace, arseveka tao Césarée no nifidy azy ho eveka hisolo an'i Maxime ny taona 350. Vetivety foana anefa dia tsy nifankahazo i Cyrille sy i Acace satria nisy adihevitra teôlôjika tamin'izany vokatry ny Kônsily tao Nicée nanameloka ny fampianaran-diso nataon'i Arius.

Voalaza fa nampangain'i Acace ho nivarotra ny zava-masina i Cyrille, indrindra fa ireo akanjo nomen'ny amperora Constantin ho an'ny Fiangonana, mba hitsinjovana ireo mahantra nianjadian'ny mosary namely tamin'izany fotoana izany. Niala tao i Cyrille ary lasa nialokaloka tany Tarse. Naverin'ny Kôsilim-paritr'i Séleucie tamin'ny toerany izy ny taona 359 fa herintaona taorian'io dia nalan'ny Kônsilim-paritra tao Constantinople indray. Ny taona 362 izy no niverina tao Jerosalema noho ny didy navoakan'ny amperora Julien ho an'ireo eveka natao sesitany tamin'ny andron'ny amperora Constance. Fa dimy taona taorian'io, izany hoe ny taona 367, dia noterenan'ny amperora Valens izy handeha indray ka tsy tafaverina tao raha tsy maty io amperora io ny taona 378.

Nandritra ny 38 taona naha eveka azy dia 16 taona i Cyrille no tany antsesitany. Tsy nanaiky nanaiky na oviana na oviana ny foto-pinoana arien manko i Cyrille ary niezaka nanamafy ny finoan'ny kristianina sy nitarika azy ireo teo amin'ny lalan'ny Vaovao Mahafaly. Nodimandry ny 386 izy ary ny papa Léon faha-13 no nanambara ny maha Mpampianatry ny Fiangonana azy.

Nalaza tamin'ny asa sorany momba ny fampianarany ny foto-pinoana i Cyrille ka miisa 24 izany fampianarana izany. Ny 18 voalohany dia fampianarana mialoha ny foto-pinoana ka ny enina namoaboasany ny fampianarana ny fitondran-tena ary ny 12 dia fanazavana ny fiekem-pinoana. Ny enina farany kosa dia fampianarana ny fandinihana ny mistery ka nanazavany ny amin'ireo sakramenta irosoana amin'ny maha kristianina : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...