15 marsa — I Masimbavy Louise de Marillac dia teraka tao Paris ny 11 aogositra 1591. Zanak'i Louis de Marillac izy, andriana ny raibeny, Guillaume II de Marillac. Mbola kely izy dia efa nobeazina tany amin'ny trano fitokana-monina ka tany no nahalalany an'Andriamanitra, tany no nahaizany namaky teny sy nanaoratra, tany ihany koa no nahaizany ny hoso-doko.

Tamin'izany no nahafantarany ny fianam-panahy fanta-daza an'i Catherine de Sienne, izay hita tamin'ny asa sorany taty aoriana. Nifanerasera tamin'ireo Capucines tao Faubourg Saint-Honoré moa i Louise, io fikambanana io ilay antsoina hoe Filles de la Croix. Dia nihevitra izy ny hanara-dia ireto relijiozy ireto, hanompo an'Andriamanitra sy ny namana. Nambaran'ilay dadatoany nitaiza azy anefa fa lalana hafa no nosoritan'Andriamanitra ho an'i Louise. Taoriana kely dia nofidian'ity dadatoany ity ho vadiny i Antoine Le Gras avy amin'ny fianakaviana Montferrand ka natao ny fifamofoana ary niroso teo amin'ny mariazy izy ireo ny 05 febroary 1613.

Vetivety monja anefa ny fahasambaran'izany ankohonana kely izany fa vao tamin'ny taona 1622 dia narary mafy i Antoine Le Gras, aretina izay noheverin'i Louise ho sazin'Andriamanitra ho azy noho izy tsy nanolo-tena ho an'Andriamanitra, izay fampanantenana nataony fony izy mbola kely. Maizina ho azy ny tany aman-danitra, nefa nony tonga ny Pantekôty, 1623, raha izy nivavaka tao amin'ny fiangonana Saint-Nicolas-des-Champs dia nazava taminy fa eo anilan'ny vadiny no anjara toerany hanompoana an'Andriamanitra. Nataony am-pahamendrehana sy am-pitiavana ny fikarakarana io vadiny io, ary tsy nataony amabanin-javatra ny fitaizana ilay lahitokan'izy ireo. Ny 21 desambra 1625 no nodimandry i Antoine.

Herintaona talohan'ny nahafatesan'ny vadiny dia efa nahafantatra an'i Vincent de Paul i Louise. Rehefa maty i Antoine dia niara-niasa tamin'i Masindahy Vincent de Paul tamin'ny asa fiantrana izy. Nampiandraiketin'i Vincent azy ireo zaza hita nirenireny teny an-dalambe, ireo manan-kilema, ireo antitra, ireo marary. Ireny rehetra ireny izay tsy misy mpiahy dia niandraiketany avokoa. Nandritra ny 35 no niarahan'izy ireo niasa ary nahatonga azy ireo nanorina ny fikambanan'ny masera Filles de la Charité ny taona 1633. Trano fitokana-monina ahitana fikarakarana ny marary, niaina ny fanekena sy ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary i Louise no nanoratra ny fitsipika mifehy io fikambanan-dry masera Filles de la Charité io araka ireo fepetra voalaza teo ireo, ary nitantana io fikamabanana io hatramin'ny faha-69 taonany nialany sasatra any amin'ny mandrakizay ny 15 marsa 1660.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...