05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.

Ny taona 1706 izy no nahazo alalana hitsahatra tamin'ny andraikitra nosahaniny tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika io, na ireo "déchaussés" izany na ireo "alcantarins". Taorian'izay dia nandany ny andro sisa iainany tao amin'ny akohonam-piainana antsoina hoe Sainte-Lucie izy ka ny nataony tamin'izany dia ny fitantanana am-panahy ny olona sy ny vavaka. Tao izy no nodimandry ny 05 marsa 1734, rehefa nahazo ny fahasoavana hitory sy hanasitrana, teo ihany koa ny fahafahany misondrotra miala amin'ny tany rehefa izy mifantonka amin'ny vavaka. Ankoatra izany ny fahafahana mahita azy amin'ny toerana roa samy hafa amin'ny fotoana iray mitovy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...