04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.

Hitan-drainy fa havanana tamin'ny fitantanana izy izy ka nokasainy hambady ny zanakavavin'ny amperora germanique. Efa nanao ny voadin'ny fahadiovana anefa i Casimir ka tsy nanaiky izany. Hatramin'ny mpitsabo aza nampirisika azy hanambady fa hoe fanafody mahasitrana ny aretin'ny avokavoka mahazo azy ny firosoana amin'ny fanambadiana, nolaviny hatrany anefa izany torohevitra izany ary nentiny maty mihitsy ity aretina ity. Niangavy azy fatratra ny rainy handray ny fanjakana tao Hongrie fa nolaviny izany hany ka nampidirina am-ponja izy nandritra ny telo volana.

Tia vavaka tokoa i Masindahy Casimir, virjiny izy, madio ary be fitiavana ny mahantra. Nodimandry ny 04 marsa 1484 i Casimir teo amin'ny faha-25 taonany. Ny toana 1522 izy no nasandratra ho olomasina ary nambara fa mpiaro an'i Pologne ny taona 1602.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...