29 febroary — Ny Auguste resahana etoana dia i Auguste Chapdelaine, martiry tany Chine. Teraka tamin'ny taona 1814 i Auguste. Zanaka tambanivohitra tany akaikin'i Coutances izy. Mbola kely izy no efa nanana faniriana ho pretra sy ho misionera nefa noho ny asa tany ambanivohitra dia tsy afaka niditra tany amin'ny seminera izy raha tsy efa 20 taona.

Nohamasinina ho pretra izy ny taona 1843 ary notendrena ho pretra mpanampy tao amin'ny fiangonana tao amin'ny tanana kely iray. Ny taona 1851 izy vao niditra tao amin'ny Fikambanana Missions Étrangères de Paris ary herintaona taorian'io izy no nalefa hanao ny iraka tany Chine, tany Guangxi. Vonona tsara izy hamita izany iraka izany na dia fantany aza fa tena voarara ny fivavahana kristianina tany Chine ary mafy sy betsaka ny fanenjehana tamin'izany fotoana izany. Naharitra herintaona mahery ny lalana nodiaviny vao tonga tany Chine izy, ary nandritra izany no nianarany ny teny sinoa. Ankohonam-piainana kristianina kely izay no nandray azy tao Guangxi ary nandray ny anarana hoe Mompera Ma izy tamin'izay.

Vao sivy andro monja anefa no nanombohany ny fitoriana dia nosamborina izy. Nafahana ihany anefa izy fa taty aoriana dia nohenjehin'ireo Mandarins fa hoe mpampiely fivavahana amin'ny ratsy. Nosamborina indray izy ny 25 febroary 1856 niaraka tamin'ny kristianina niisa 25. Voaheloka ho faty i Auguste, nohidina tao anaty kesika vy iray izy ary tsy naseho afa-tsy lohany, ny tongony sy ny tanany navela hirazorazo teo ary navela tao izy mandram-pahafatiny. Efa afaka ny ainy vao notapahana ny lohany ny 29 febroary 1856.

Ny papa Léon XIII no nanandratra azy ho olontsambatra ny taona 1900 ary ny taona 2000 kosa no nambaran'ny papa Joany Paoly II ho olomasina izy niaraka tamin'ireo kristianina 120 maty tany Chine teo anelanelan'ny taonjato faha-17 sy faha-20.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...