28 febroary — Zanak'olona fanta-daza tamin'ny fahamendrehana i Romain sy Lupicin. Mpirahalahy iray tampo izy ireo ary teraka tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra.

Raha ny fahatanoran'i Romain no resahana dia tao anatin'ny vanim-potoana nanjakan'ny kolikoly tanteraka ary tamin'izany fotoana izany no niezahany nandalina ny fiainan'ireo mpitoka-monina niraka pretra iray masin-toetra, ka rehefa tonga teo amin'ny faha-35 taonany izy dia nankany Condat tao amin'ny alan'i Jura. Nifidy ny hanirery sy hanadino ny fiainan'izao tontolo izao, hampijaly tena sy hiaina eo anivon'ireo biby masiaka. Tsy izany anefa no sitrapon'Andriamanitra fa toy ny fanomanam-piainana ihany ho an'i Romain izany, satria taty aoriana dia nanorina trano fitokana-monina izy ka ny rahalahiny nantsoina hoe Lupicin ihany no mpianany voalohany tao.

Niara-niaina tao izy roa lahy. Samy nanana ny toetra nampiavaka azy izy ireo. I Romain dia malefaka sy be famindram-po. I Lupicin kosa hentitra sy mahery fihetsika, fa ny nahagaga dia nanana fiombonam-piainana tsara izy ireo na dia teo aza izany fahasamihafan-toetra lehibe izany. Raha diso tafahoatra ohatra ny fihetsik'i Lupicin amin'ireo rahalahiny tao amin'ny fikambanana dia teo i Romain mampihavana azy ireo. Raha mila tanjaka kosa eo amin'ny fanatanterahana ny asa dia mangata-bonjy amin'i Lupicin i Romain fa izy no manana ny hery mahatohitra ny zavatra rehetra.

Trano fitokana-monina roa no naorin'izy mirahalahy ireto. Ny iray ilay tao Condat izay lasa tananan'i Saint-Claude ao Jura. Ny faharoa dia ilay tao Lauconne izay Saint-Lupicin amin'izao fotoana izao. Fa ankoatra ireo dia nisy trano fitokana-monina hafa naorin'i Romain tao Vosges ka hatrany Allemagne. Nanorina trano fitokana-monina ho an'ny anabaviny ihany koa izy ary taty aoriana moa io toerana io dia nohodidinin'ny tananan'i Saint-Romain-de-la-Roche.

Indray taona, nitobaka ny vokatra tao an-tanana. Tsy nahafehy tena tamin'ny fifadian-kanina intsony ireo mpitoka-monina tao amin'ny fikambanana naorin'izy mirahalahy ireo. Toa tsy noraharahain'izy ireo akory ny fijery malefaka nataon'i Romain mba hahatonga saina azy ireo. Hany herin'i Romain, nankininy tamin'i Lupicin ny famerenana amin'ny laoniny ny fiainan'ireo mpitoka-monina tao amin'ity trano fitokana-monina ity. Orge nampangotrahana tsy misy fangarony no sakafo nomen'i Lupicin azy ireo nandritra ny fotoana naharitraritra. Vokatr'izany, mpitoka-monina 12 no nandao ny fikambanana, ny ambiny kosa anefa tafaverina soa aman-tsara tamin'ny aim-panahin'ny fiainan'ny mpitoka-monina ihany. Nalahelo an'ireo 12 lasa anefa i Romain, ka nitaraina tamin'i Lupicin. Nitomany izy ary nivavaka fatratra mba hiverenan'ireo 12 nania sy ny hahaizan'izy ireo miaina ny fahadiovam-po sy ny fitondran-tena mendrika feno hatsaram-panahy.

Nodimandry ny taona 468 i Romain fa i Lupicin kosa ny taona 480.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...