24 febroary — Ny Modeste resahana etoana dia ilay eveka tao Trèves tao Rhénanie any amin'ny faritr'i Allemagne tamin'ny taonjato fahadimy, vanim-potoana nanjakan'i Clovis, mpanjakan'ny Francs.

Mpitoka-monina nalaza tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fahalalany ambony momba ny tena fahendrena masina, mitondra ny fahazavan'ny Fanahy Masina i Modeste. Izay no heverina ho nanendrena azy ho mpitantana am-panahy tao amin'ny trano fitokana-monina naorin'i Masindahy Théodose tamin'ny taonjato fahenina. Tamin'ny taona 614, rehefa nitondra ny tafiny ho any Jerosalema ny mpanjakan'i Perse Chosroès, dia nirahan'ny patriarka Zacharie i Modeste hangata-bonjy amin'ny tafiky ny amperora tao Antioche. Tao anatin'ny telo herinandro anefa dia lasan'ny Perses ny Tany masina ary tao anatin'ny telo andro no nandrobany sy nanimban'izy ireo ny tanana.

Satria efa nalefa an-tsesitany niraka tamin'ireo kristianina aman'alina tany Perse ny patriarka Zacharie niaraka tamin'ny Hazofijaliana Masina, dia i Modeste no voafidy hisolo toerana azy tao amin'ilay tanana izay mbola tao anatin'ny afo mivaivay. Nodioviny ny tanana, naleviny ireo faty aman'alina, navaoziny ny tanana ka naveriny naorina araka izay azo natao ireo trano fivavahana sy toerana masina nopotehin'ireo mpanani-bohitra. Navondrony ireo akanga sisa nanamborana ary nakahereziny ihany koa. Noho ny fanampian'ny patriarka tao Alexandrie dia vitany ny namerina tamin'ny laoniny ny fiainan'ny Fiangonana tao Siôna.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...