24 febroary — Ny Modeste resahana etoana dia ilay eveka tao Trèves tao Rhénanie any amin'ny faritr'i Allemagne tamin'ny taonjato fahadimy, vanim-potoana nanjakan'i Clovis, mpanjakan'ny Francs.

Mpitoka-monina nalaza tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fahalalany ambony momba ny tena fahendrena masina, mitondra ny fahazavan'ny Fanahy Masina i Modeste. Izay no heverina ho nanendrena azy ho mpitantana am-panahy tao amin'ny trano fitokana-monina naorin'i Masindahy Théodose tamin'ny taonjato fahenina. Tamin'ny taona 614, rehefa nitondra ny tafiny ho any Jerosalema ny mpanjakan'i Perse Chosroès, dia nirahan'ny patriarka Zacharie i Modeste hangata-bonjy amin'ny tafiky ny amperora tao Antioche. Tao anatin'ny telo herinandro anefa dia lasan'ny Perses ny Tany masina ary tao anatin'ny telo andro no nandrobany sy nanimban'izy ireo ny tanana.

Satria efa nalefa an-tsesitany niraka tamin'ireo kristianina aman'alina tany Perse ny patriarka Zacharie niaraka tamin'ny Hazofijaliana Masina, dia i Modeste no voafidy hisolo toerana azy tao amin'ilay tanana izay mbola tao anatin'ny afo mivaivay. Nodioviny ny tanana, naleviny ireo faty aman'alina, navaoziny ny tanana ka naveriny naorina araka izay azo natao ireo trano fivavahana sy toerana masina nopotehin'ireo mpanani-bohitra. Navondrony ireo akanga sisa nanamborana ary nakahereziny ihany koa. Noho ny fanampian'ny patriarka tao Alexandrie dia vitany ny namerina tamin'ny laoniny ny fiainan'ny Fiangonana tao Siôna.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...