12 febroary — Ny Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa nodimandry tamin'ny taona 530. Tamin'ny mey 526 mantsy no maty tany an-tranomaizina ny papa Jean Voalohany izay voafonja noho ny fanenjehana nataon'ny mpanjaka Théodoric.

Raha ny marina dia fifidianana no natao mba hijerena izay hisolo ny papa teo aloha. Tsy natao anefa ny fifidianana fa i Théodoric mpanjaka no nifidy avy hatrany an'i Félix de Samnium. Ny 12 jolay 526 izy no nandray io fiketrahana io ary nitondra ny anarana Félix IV. Nahagaga anefa fa maty ny 30 aogositra ilay mpanjaka ary namela kamboty mbola tsy ampy taona ka ny renin'ity zaza ity no nitantana ny fanjakana. Nifankahazo tsara tamin'ny mpino katôlika izy io ka nanome trano lehibe roa ho an'ny Fiangonana. Ny iray ilay lasa Bazilikan'i Masindahy Côme sy Damien.

Rehefa nitantana ny Fiangonana nandritra ny 4 taona sy 2 volana ny papa Félix IV dia narary ka 22 septambra 530 izy no natsoin'ny Ray hody any aminy. Izy no papa faha-54.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...