07 febroary — Zanak'i Masindahy Philippe i Masimbavy Eugénie, virjiny romana maty martiry izy tamin'ny andron'ny Amperora Valérien tamin'ny taona 257. Araka ny tantara dia teo amin'ny faha-16 taonany izy dia efa nahavaky ireo haisoratra grika sy latina ary nalaza tamin'ny hatsara-tarehy tao an-tanana.

Nibebaka izy raha nandalo teo amin'ny trano fitokana-monina iray, naheno ny hiran'ireo mpitoka-monina tao. Vokatr'izay fibebahana izay, nanova endrika sy fitafy ho toy ny lehilahy izy, ary nisalotra ny anarana hoe Eugène ka niditra tao amin'ity fikambanana mpitoka-monina lehilahy ity. Tsy nisy nahalala ireo mpiray fikambanana taminy ka nifidy azy ho lehiben'izy ireo taty aoriana. Nisy vehivavy iray nantsoina hoe Mélanthia nanendrikendrika sy nitory an'i Eugène ho nanao an-keriny ka nahabevohoka azy. Nanapa-kevitra ny governora fa hatsipy hoanin'ny liona i Eugène. Teo dia nolazainy marina ary nasehony ampahibemaso fa tsy mahavita izany heloka izany izy.

Afaka teo izy ka nihazo an'i Roma, ary naorina fitokana-monina ho an'ny vehivavy. Voaheloka indray izy noho izy nampiely ny fivavahana kristianina ary nentina tany amin'ny tempolin'i Diane. Tamin'izay anefa dia nanjavona ireo sampy. Nafatotra tamin'ny vato ary natsipy tao amin'ny ranon'i Tibre izy fa nitsingevana indray. Natsipy tany anaty afo, fa maty ilay afo. Farany, naiditra am-ponja izy, tsy nomena sakafo, nefa tsy nahatsiaro hanoanana fa nofahanan'i Kristy. Ny 257 no notapahin-doha i Eugénie.

Araka ny tantara dia nisy mpivahiny masina nitondra ny "reliques" an'ity olomasina ity nankany Nîmes. Ny 25 desambra taloha no nahatsiarovana an'i Eugénie fa efa tamin'ny andron'ny papa Jules Voalohany tamin'ny taona 440 vao nafindra ho ny 08 janoary noho ny 25 desambra nankalazana ny fetin'ny Noely. Taorian'ny fanavaozana ny litorjia tamin'ny papa Pie X ny taonjato faha-20 dia lasa ny 07 febroary no ahatsiarovan'ny Fiangonana azy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...