Ankalazaina ny 04 febroary i Masimbavy Véronique na Bérénice. Raha ny tanataran'i Masimbavy Véronique dia ny Evanjely apôkrifa nosoratan'i Nicodème no ahitana azy izay mifandray indrindra amin'ny Lalan'ny Hazofijalian'i Kristy.

Raha iny lavo, novesaran'ny Hazofijaliana iny mantsy i Jesoa dia nisy vehivavy nanatona azy namaoka ny tavany. Nijanona teo amin'ny lamban'i Bérénice ilay endrik'i Jesoa ary io endika nijanona teo amin'ny lamba io no antsoina hoe "Verum icon" izay midika hoe "sary marina" ka nahazoana ilay anarana hoe "Veronica". Nomena ny anarana hoe "suaire" na "voile de Véronique" io lamba io ary notehirizina ao amin'ny fiangonan'i Masindahy Pierre ao Roma hatramin'ny taonjato fahavalo. Fa teo amin'ny taonjato faha-14 sy faha-15 no tena nalaza sy nielipatrana ny fanajana an'i Masimbavy Véronique. Fotoana nanehoana sy nibanjinana ny ampaham-piainan'i Jesoa indrindra fa ny fijaliany.

Tsaroan'ny Fiangonana amin'ny 04 febroary ihany koa i Masindahy Gilbert. Teraka tamin'ny 1087 i Gilbert ary maty tamin'ny taona 1190. Nanorina ny fikambanana nitambaran'ny "moines" sy ny "chanoines" izy ny taona 1148 ka olona tokana ihany no lehiben'ireo. Nikarakara ny kamboty sy ny boka izy ary mandram-pahafatiny dia nahitana ankohonam-piainana 13 nisy lehilahy 700 sy vehivavy 1500 tao Angleterre ary nahatratra 20 izany ankohonam-piainana izany rehefa nofoanan'i Henri VIII. Teo amin'ny faha-80 taonany i Gilbert dia naiditra am-ponja noho ny endrikendrika fa nanavotra an'i Thomas Becket tany an-tsesitany. Teo amin'ny faha-90 taonany kosa dia nokapohin'ireo namany tamin'ny firitsoka izy fa hoe nampijaly azy ireo hono. Maty teo amin'ny faha-100 taonany izy ary efa tsy nahita intsony tamin'izay fotoana izay.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...