I Masindahy Gildas no tsaroana ny 29 janoary. Zanak'andriana tao Grande-Bretagne i Gildas. Teraka tao Écosse tokony ho tamin'ny faramparan'ny taonjato fahadimy. Taona niadian'ireo Bretons lasa romanina tamin'ireo Saxons mpandroba moa io taona io.

Teo amin'ny faha-20 taonany i Gildas no niondrana nankany amin'ny trano fitokana-monina tany Pays des Galles mba hiofana ho pretra. Mpianatr'i Masindahy Germin avy any Auxerre no nitantana am-panahy azy ary ny taona 518 izy no nohamasinina ho pretra ka nomena anaram-bosotra hoe "Ilay hendry". Ny fahamasinana tsotra teo aminy no nanintona ireo mpiray tanindrazana taminy ka nampibebaka azy ireo.

Rehefa avy nitory sy nampibebaka ny tao an-tanindrazany i Gildas dia nandalo tao Irlande mba hamonjy an'i Armorique. Nonina tao amin'ny nosy Houat manamorona an'i Rhuys aloha izy. Nanorina trano fitokana-monina tao izy noho ny hamaroan'ireo mpianatra nanara-dia azy, ary amin'izao fotoana izao dia mitondra ny anarany io trano io.

Nanoratra ihany koa i Gildas, ary isan'ny fanta-daza tamin'izany ny "De la ruine de la Bretagne", boky nosoratany tamin'ny fikorontanana vokatry ny firodanan'ny Sivilizasiôna Romanina tamin'ny fanafihana misesy nataon'ireo Saxons. Ao ihany koa ireo boky nosoratany momba ny fomba fivavahan'ireo fiangonana Celtes ary eo ihany koa ny tantaran'i Bretagne. Nodimandry ny taona 573 tao Rhuys i Glidas ary mbola vaotahiry sy hajaina ao amin'io trano fitokana-monina nahoriny io izy. Antsoina hoe "Apôstôlin'i Bretagne" i Gildas ary olomasina mpiaro ny diosezin'i Vannes.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...