I Masindahy Thomas d'Aquin no tsaroana ny 28 janoary. Fianakaviana normande sy germanique no nipoiran'i Thomas. Teraka tokony ho tamin'ny faraparan'ny taona 1224 izy. I Landulph, Comte d'Aquin no rainy ary i Théodora no reniny, taranaka mpanjaka normand ihany koa.

Ny papa Honorius III no mpiantoka an'i Thomas ary ny Bénédictins tao Mont-Cassin no nitaiza azy, dadatoany no lehibem-pikambanana tao tamin'izany. Niavaka tamin'ny fitiavam-bavaka sy ny faranitan-tsaina i Thomas ka nanapa-kevitra io dadatoany io sy ny rainy fa alefa hianatra any amin'ny Oniversiten'i Naples izy mba handalina ny zava-kanto sy ny kolontsaina. Tao no nahalalany ny asa soratr'i Aristote sy ny lalàna romana. Tao Naples ihany koa no nihaonany tamin'ny fikambanan'ny Frères Prêcheurs.

Niditra ho mpikambana dominicains àry i Thomas, nefa tsy neken'ny fianakaviany izany. Nandraiky narary ny reniny raha naheno fa niditra tamin'ny fikambanana mpangataka ny zanany. Nitaraina tamin'ny lehibem-pikambanana izy ary tonga hatrany amin'ny papa mihitsy, nefa tsy nisy vokany izany. Ilay reniny mihitsy no nitady an'i Thomas tany amin'ny fikambanana tao Naples, nefa dia lasa nandositra tany Rome i Thomas. Tratra ihany anefa izy, ka nohidina an-tranomaizana tao an-tranon-drainy. Nitondrana vehivavy mba hiova hevitra, nefa dia nandohalika teo anoloan'ny hazofijaliana izy ka nanavao ny voadiny ho amin'ny fahadiovana. Resy tory teo izy ary nisy anjely niteny taminy hoe: "Raiso ny fahadiovana mandrakizay avy amin'Andriamanitra".

Resin'i Thomas avokoa ireo sakana ka afaka nanohy ny fiantsoana azy izy ary nahomby koa izy teo amin'ny fikarohana sy ny fandalinana nataony. Ny tena asany mahagaga dia ireo asa soratra marobe vitany izay nampanontany tena hoe amin'ny fotoana toa inona no hanaovany ireny fa dia maro tokoa nandritra ny 48 taona niainany. Teo ihany koa ny antsa fiderana fanao amin'ny fetin'ny Sakramenta Masina. Indray andro i Jesoa niteny tamin'ny Thomas avy ao an-damosin'ny tabernakla: "Nanoratra tsara momba ahy ianao ry Thomas, ka inona no valisoa irinao ho azo?" Niantso mafy tamin'ny fo feno fitiavana i Thomas nanao hoe: "Tsy misy afa-tsy Ianao Tompoko". Marihana fa nodimandry ny taona 1274 i Thomas d'Aquin.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...