Maro ireo sakana tsy mampivoatra ny olombelona ; misy hery mahasoa fanararaotra ao amin'ny olombelona iray dia ny hery miabo, misy koa ny hery miiba izay hery ratsy manimba. Io hery miabo io no misarika ireo soa, harena ho an'ny olombelona iray. Ny hery miiba kosa dia mitondra zavatra ratsy, noho izany dia tokony hialana ny fahatezerana, tsy fananana faharetana, tsy fanetrentena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...