Ny voalohany dia ny hatanterahan'ny faminanian'i Simeona : ho tanterahin-tsabatra ny fonao ; ny faharoa ny fandosirana tany Ejipta ; fahatelo dia i Jesoa very tao an-tempoly tamin'ny faharoa ambin'ny folo taoanan'i Jesoa ary nalahelo izy ; ny fahaefatra dia i Jesoa mitondra ny hazo fijaliana, ontsa ny fony nahita ny fijalian'ny zanany i Masina Maria ;  fahadimy Masina Maria nijoro teo am-pototry ny hazo fijaliana ka nandre ny tenin'i Jesoa hoe : rahavehivavy indro ny zanakao, ary tamin'ny mpianany hoe : indro ny reninao ; ny fahaenina dia ny nampidinana ny fatin'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana ka nandraisan'i Masina Maria azy teo an-tratrany ; ny fahafito dia ny fandevenana an'i Jesoa tao am-pasana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...