Nankahery ny vahoaka mba hahay hifampihaino sy hifanampy ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny hafatra vokatry ny fivoriam-be ara-potoana nataon'izy ireo ny 03 ka hatramin'ny 12 novambra 2021. Indro ny lahatsoratra feno momba izany, entin'i Mgr Gabriel Randrianantenaina, Evekan'i Tsiroanomandidy, Sekretera jeneralin'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara

“Ianareo ho vahoakako, izaho ho Andriamanitrareo” (Jr 30,22)

HAFATRY NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA

Ho an’ny mpino katolika manerana ny Nosy
Ho an’ny vahoaka malagasy sy ny olona tsara sitrapo rehetra,

Homba anareo anie ny Fiadanana!

Ry havana,


Nivory ara-potoana teto Antananarivo izahay Eveka ny 03 ka hatramin’ny 12 novambra 2021 ka manao izao hafatra izao :

1. Voalohany indrindra dia misaotra an’Andriamanitra Mpandahatra ny zavatra rehetra isika noho ny fitiavany sy ny fitantanany ny fiainantsika vahoakany. Volana vitsivitsy lasa tokoa izay, hatramin’ny nahafoana ny hamehana ara-pahasalamana dia nanomboka niverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro ka mba afaka niaina kely isika. Maneho izany fa tsy mandao antsika Andriamanitra ary tsy tompon’ny teny farany ny valan’aretina Covid 19. Isaorana isika rehetra tamin’ny fanehoam-pinoana sy fitokisana ka nahay nifanohana niatrika ny mafy manoloana ireo fitsapana isan-karazany nolalovan’ny zanak’olombelona. Mankahery antsika ny hafatry ny Papa Fransoa amin’ny tanora manao hoe : “Hitantsika manerana an’izao tontolo izao fa maro ireo olona, an’isan’izany ny tanora, miady amin’ny fiainana, mamafy fanantenana, miaro ny fahafahana sy ny rariny, mpitondra fiadanana sy azo lazaina hoe: mpandrafitra tetezana hifandraisan’ny mpiara-belona”. Koa mitrakà àry fa vahoakan’Andriamanitra tokoa isika ary Izy Andriamanitsika – Raiso an-tanana ny andraikitra fa mbola ho afaka hiarina indray izao tontolo izao satria eo ny hery sy ny hafanam-po ary ny fitiavantsika.

2. Aoka anefa isika tsy ho variana: mbola tsy foana ny valan’aretina izay miseho amin’ny endrika vaovao hatrany, any amin’ireo firenena samihafa; koa tokony hamafisina mandrakariva ny fitandremana sy ny fiarovan-tena indrindra amin’izao fiverenan’ny fisokafantsika amin’ny fifamezivezena amin’ny any ivelany izao. Efa naparitaka teto amin’ny firenena rahateo ny vaksiny izay eken’ireo manam-pahaizana amin’ny fitsaboana ho isan’ny fanefitra mahomby. Mba hampisinda ny ahiahy amin’ny fahombiazan’ireo karazam-baksiny dia aoka isika hanatona hatrany ny mpitsabo alohan’ny hanaovana izany. Aoka tsy hodian-tsy hita koa ireo karazan’aretina hafa mety mandringana ka ilàna fitandremana fatratra.
Na eo aza ny ezaka izay efa ataon’ny tsirairay sy ny isan’ambaratonga isan’andro dia mbola misy ihany ny aloka mety manakana ny “lanitra tsy ho manga”.

Ny fifandraisana mandrafitra ny maha-olona

3. Tsapa tokoa mantsy ankehiriny fa toa miha-potika ny fifandraisana tena mamaritra ny maha-olona. Tsy inona izany fa ilay fifandraisany amin’Andriamanitra Ray sy amin’ny zavaboaary ary indrindra ny fifandraisan’ny samy olombelona. Miha-adino ihany koa ireo soa toavina tena maha-malagasy dia ny fifanajana sy ny fandalàna ny aina. Variana maka tahaka be fahatany ny any ivelany isika ka tsy afaka mandanjalanja ny mety sy ny tsy mety. Efa ny tambajotran-tserasera izao no manabe sy mibaiko ary mifehy mihitsy ny zava-misy rehetra eo amin’ny fiaraha-monina. Mahazo vahana ny fametrahana ny vola ho toy ny andriamanitra ka manimba tanteraka ny fifandraisan’ny samy olombelona.Tsy mihontsona amin’ny hirifiry sy ny manjo ny hafa intsony ny ankamaroan’ny olona ka tanteraka ara-bakiteny ny hoe: “omby mahia tsy lelafin’ny namany”, ary ny “ory tsy havan’ny manana”. Miha-lalina noho izany ny hantsana manasaraka ny mahantra amin’ny mpanankarena.

4. Etsy andanin’izany, misoko mangina ankehitriny ny toe-tsaina sy ny toe-po izay toa lasa manilika an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana. Feno izao karazan-drendrarendra izao ny fon’ny olona ka voahilika Andriamanitra ilay Mpahary ny aina. Toa tsy misy toerana ho Azy intsony ny fiainan’ny olona ka samy manao izay tiany amin’ny fiheverana fa tompon’ny tenany izy. Izany no efa nahazo ny Mpamonjy rehefa te-hiara-monina amin’ny olona Izy ao amin’ny Lk 2, 7 “ary niteraka ny zanany lahimatoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny”.

5. Tsy mahagaga àry raha tonga amin’izao fisisihana hampiditra ho lalàna ny fanalalahana ny fanalan-jaza ara-pitsaboana niteraka savorovoro tato ho ato izao. Koa etoana àry dia manamafy izay efa voalazanay tany aloha izahay fa tsy manana zo hanala aina ny olombelona. Noho izany dia tsy anjarantsika ny hampitsahatra vohoka na inona na inona antony satria tsy isika no nanao ny aina fa Andriamanitra “Tamin’izay ny Tompo Andriamanitra no naka vovotany ka namolavolany ny lehilahy; dia nofofoniny fofonaina mahavelona tao anaty vavorony, ka nanjary zava-manana aina ralehilahy (Jen. 2,7; jereo koa Sal. 104, 29-30; Iz 42,5). Noho izany dia mamporisika antsika rehetra izay tia sy matahotra an’Andriamanitra izahay mba tsy hametraka ho lalàna ny fampitsaharana vohoka na dia lazaina aza fa noho ny antony fitsaboana izany satria natao hamelona aina ny fitsaboana fa tsy hamonoana ny tsy manan-tsiny. Aoka hitandrina ny tsirairay fa lalàna misokatra amin’ny fanalalahana ny fanalan-jaza no aseho na tsy mivantana aza. Efa mafy ny manjo antsika ankehitriny noho ity valan’aretina mamono aina maro ity koa aoka tsy ho ampiantsika indray amin’ny fanalalahana ny famonoana ny tsy manantsiny ny volavolan-dalàna ataontsika olombelona.

6. Ankoatr’izay dia mitaraina mafy ny zavaboaary ankehitriny noho ny hetraketraky ny olombelona amin’ny alalan’ny doro tanety sy ny fanimbana ny ala ary ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny harena voajanahary misy eto amintsika. Vokatr’izany dia ritra ny rano amin’ny toerana maro saika manerana ny Nosy ka miteraka hanoanana sy fifindra-monina. Efa tena mihatra aman’aina mihitsy ankehitriny ny fahasimban’ny tontolo iainana koa aoka handraisana fepetra hentitra ny fiarovana azy sy ny fanasaziana ireo minia mandoro tanety sy manimba ny ala. Tokony ho tsapantsika rehetra fa “izay mandoro tanety dia mamono taranaka” ary “izay mamboly hazo mampita aina”.

Momba ny fanabeazana

7. Zava-dehibe ny fanabeazana satria fototra handrafetana ny maha-olona manontolo sy antoky ny fivoarany amin’ny lafim-piainana rehetra. Mbola ny fanabeazana ihany koa no ahafahana mamerina ireo soa toavina malagasy indrindra ny amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.Tsapa anefa ankehitriny fa natao tsirambina ny seha-panabeazana. Ekena fa tsara ny fanomezana loka ireo izay noheverina ho mahomby sy ny fananganana fotodrafitr’asa, fa ilaina koa ny mijery ifotony ny rafi-pampianarana sy ny programa mikendry hamolavola olona hanana fahaiza-manao sy saina vonona hiatrika ny fiainana mba tsy ho vesatry eo amin’ny fiaraha-monina fa ho fanoitra ho an’ny fampivoarana ireo tanora nahavita fianarana. Tsy ny mahasahana ny fahaizana sy ny fahalalana fotsiny ihany ny fanabeazana fa tokony hifototra amin’ny fomba fijery ny maha-olombelona manontolo indrindra ny mahakasika ny fitondran-tena ara-moraly mba hamolavolana olom-banona.

8. Ekena fa nisy tokoa ny finiavan’ny tompon’andraikitra nifanesy hanavao ny rafitra sy ny prôgramam-pampianarana, saingy toa tsy voadinika lalina ny votoatiny mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny olona manontolo ary hamaly ny filàn’ny mpianatra sy ny zava-misy eto amin’ny firenena koa toa zary andran-dava. Averinay etoana fa mampisalasala ity Plan Sectoriel de l’Education izay voizina hatramin’ny taona maromaro ity ka ilàna fifampidinihina lalina. Tena hahitàna fahombiazana ve io? Sao resa-bola no ao ambadika? Ampatsiahivinay izay efa nolazainay tamin’ny hafatra tany aloha mahakasika ny fanabeazana eny amin’ny Anjerimanontolo. Aoka hanome modely ianareo mpitantana sy mpampianatra ary mba tsy hanaiky atao fitaovana politika ianareo tanora mpianatra.

Ilaina ny fitoniana sy ny fifampihainoana ary ny fifanomezan-tanana

9. Tafahitsoka ao anaty fahantrana lalina ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Maro ireo fianakaviana zara raha misakafo, tsy manan-kitafiana, tsy manana trano hisitrihana kanefa ireo no filàna fototra kely indridra mba tokony hananan’ny olona: “ny filàna fototra amin’ny fiainana dia ny rano sy mofo ary fitafiana mbamina trano anankiray hialofana” ( Sir 29, 21).Tsy afaka ny handroso anefa isika raha tsy ao anatin’ny fitoniana. Maro ny taraina sy hiaka miseho lany etsy sy eroa ka ilàna fandraisan’andraikitra haingana mba tsy hiteraka fipoahana ara-tsôsialy. Anisan’ireny ny tarainan’ny mpiasa maro manerana ny nosy noho ny tsy fandraisan-karama na ny fahataràna amin’ny fandoavana izany ka maha-fadiranovana azy ireo sy mahatonga azy ireo hiraviravy tanana toy ny voalaza ao amin’ny Jr 22, 13-17. Raha tsy hilaza afa-tsy ireo mpiasa any amin’ny kaominina maro eto amin’ny Nosy, ny mpiasan’ny Oniversite sy ny maro tsy ho voatanisa.

Eo ihany koa ny tsy rariny mibaribary sy ny hiakiakan’ny vahoaka etsy sy eroa noho ny fibodoana an-kitsirano ny tanin’izy ireo.

10. Isan’ny tena fositra mahatonga ny olona hiraviravy tanana sy hahantra tanteraka ny fibodoana ny fananan’ny olona, indrindra ny tany honenana sy hivelomana, ataon’ny mpanao lalàna sasany toy izay voalaza ao amin’ny 1Mpj 21, 1-16. Mitaintain-dava ny olona satria na dia efa taniny hatramin’ny razambeny aza dia atahorana ho lasan’ny mpanambola sy ireo lava tanana ao anatin’ny fotoana fohy. Ilàna fandraisana andraikitra matotra ny fandaminana ny ady tany sy ny fanafoanana ny kolikoly amin’ny famoahana ny taratasy momba ny fanan-tany mba hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny hampisy fitoniana eo amin’ny vahoaka. Manana adidy goavana amin’izany ianareo rehetra tomponandraikitra isan’ambaratongany, indrindra indrindra momba ny fananan-tany, koa meteza hiaino ny hiakan’ny mahantra sy ireo tsy mba misy mpiaro.

11. Isaorana ny ezaka rehetra nataon’ny fitondrana sy ny tompon'andraikitry ny filaminana hamerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana ka nahitam-bokatra tamin’ny faritra sasany. Mbola maro anefa ireo mikaikaika noho ny hetraketraka ataon’ny dahalo koa mamporisika hatrany izahay mba hitadiavam-bahaolana mafimafy sy tsaratsara kokoa ary haingana ny filaminam-bahoaka. Anisan'ny mampametram-panontaniana ny maro hoe misy prôgrama mazava itondràna ny firenena sy laharam-pahamehana mifanaraka amin’ny zava-misy tena hiainan’ny vahoaka ary ny filàny eny ifotony tokoa ve? Isaorana koa ny ezaka nataon’ireo manam-panahy isan-tsokajiny hampisy fitoniana bebe kokoa eto amin’ny firenena. Mampanahy anefa ny mahita fa efa manangasanga sahady ny firohotan’ny sain’ny maro mankany amin’ny fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana ho amin’ny fifidianana. Hadino fa ny zavatra mbola iainan’ny olona dia ny “ny hohanina anio tadiavina anio”.

12. Ho antsika vahoaka tsivakivolo, ny hakamoana sy ny fidonanampoana dia anisan’ny loharanon’ny fahantrana. Natao hiasa ny olona fa io no manandratra ny hasina maha-izy azy (cf. Jen 1, 28) noho izany dia tokony hialàna ny toe-tsaina miankin-doha lava amin’ny hafa sy miandrandra fanampiana. Halaviro arak’izany ny hakamoana sy ny fidonanampoana satria ireo no tena isan’ny mampahantra (cf. Sir 22, 1; Oh 6, 6-11) (cf. Oh 13, 4; 21, 25) ka tsy mampisy fivoarana. Ho anareo mpitondra kosa dia karohy mandrakariva sy mpitomboy hatrany ny fomba hampananana asa maharitra sy mampidi-bola ho an’ny vahoaka.

Eglizy miara-dia: “Miombona – Mandray anjara- Asa fanirahana”

13. Ao anatin’ny fanatanterahana ny sinaody ny Eglizy Katolika araka ny antso izay nataon’i Papa Fransoa mba hiainana ny fiarahan-dia ao anatin’ny fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana izay toetra tena maneho ny maha-izy azy ny Eglizy. Koa manentana antsika rehetra fianakaviam-ben’Andriamanitra handray anjara mavitrika amin’ny fanantanterahana izany. Hararaoty ity fotoan-dehibe ity ho antsika any amin’ny Paroasy sy ny Diôsezy mba hahafahana mihaona, manovo traikefa sy miara-miaina izany fiarahan-dia izany. Raiso an-tànana ny Eglizy sy ny finoantsika ka mandraisa andraikitra mandinika ny fomba hitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’izao vaninandro diavintsika izao. Ireo karazam-panontaniana natao ho valiantsika rehetra no anisan'ny hanehoantsika izany. Antenainay fa hitondra fiombonana bebe kokoa hatrany ity sinaody ity ary hahatonga ny Eglizy ho famantarana ny fiombonana eo anivon’ny fiaraha-monina.

14. Hankalaza an’i Kristy Mpanjaka isika ato amin’ny Eglizy Katolika ary hiditra amin’ny vanim-potoana Fiavian’ny Tompo koa enga anie hitondra ainga vaovao ho antsika mianakavy izany ary ho mafy orina ao am-pontsika fa “i Kristy efa nandresy an’izao tontolo izao”. Diniho tsara ny hafatry ny Papa ho anareo tanora amin’io Alahady Kristy Mpanjaka io. Ankininay amin’ny vavaka ataon’i Masina Maria mpiaro an’i Madagasikara sy i Masindahy Jozefa ary ireo Olomasina sy ireo Olontsambatra zokintsika ny fiainantsika manontolo.

Mitso-drano anareo izahay Evekanareo.

Antananarivo faha-12 novambra 2021.
Fahatsiarovana an’i Md Josafata.

Son Exc. Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara
Son Exc. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa, Filoha lefitra
Son Exc, Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA, Evekan’i Tsiroanomandidy, Sekretera Jeneraly
Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina,
Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana, Administrateur apostolique d’Ambanja
Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo
Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekan’i Toliary
Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé
Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana
Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka
Son Exc. Mgr Rosario VELLA, Evekan’i Moramanga
Son Exc. Mgr Gustavo Bmbin ESPINO, Evekan’i Maintirano, Administrateur Apostolique de Mahajanga
Son Exc. Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo,
Son Exc. Mgr Philippe,RANAIVOMANANA Evekan’Antsirabe
Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra
Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,
Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy
Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana
Son Exc. Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe
Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro
Son Exc. Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Eveka mpanampin’Antananarivo
Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo
Son Exc. Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava
Son Exc. Mgr Michel MALO, Evêque Emérite d’Antsiranana
Son Exc. Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé
Son Exc. Mgr Antoine SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...