Homarihana ny 25 jolay 2021 ny andro maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy renibe ary ny zokiolona, araka ny fanentanana nataon'ny Papa François. MIombom-po amam-panahy amin'ireo zokiolona ny Eglizy maneran-tany ka manandratra izao vavaka izao :
Vavaka ho an'ny andro maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy renibe ary ny zokiolona
Misaotra Anao izahay, ry Tompo,
Nohon’ny fisianao mankahery ahy
Rehefa iny izaho manirery,
Ianao kosa no fanantenako sy tokiko;
Hatramin’ny fahatanorako dia vatolampiko sy heriko Ianao!
Misaotra nohon’ny fianakaviana nomenao ahy
Misaotra Anao amin’ny tso-drano sy fahasoavana ka ,nahalava andro iainana ahy.
Misaotra Anao amin’ireo hafaliana, sy fotoan-tsarotra,
Misaotra Anao amin’ireo vina sy nofy izay tanteraka, ary ireo izay mbola kinasa,
Misaotra noho izao fotoam-pahasoavana sesehena mbola hiantsoanao ahy izao
Tompo ô , hampitomboy ny finoako,
Hataovy ho tonga mpitondra fiadanana aho;
Hampianaro aho handray ireo izay mijaly kokoa noho izaho
Hampianaro aho tsy hitsahatra hanana vina
Sy hitory ny hatsaranao ry Ray amin’ny taranaka mifandimby.
Arovy sy tantano ny Pape François ary ny Eglizy,
Mba hanenika izao tontolo izao ny hazavana izay entin’ny Evanjely.
Ry Tompo ô, arotsahy ny Fanahinao Masina mba hanova ny endrik’ izao tonto izao,
Tonio ny rivotra entinao izao valan’aretina izao,
Omeo hery ireo osa ary ary atsaharo ireo karazan’ ady.
Tompo ô , tohano amin’ny fahalemeko aho
Mba ahafako miaina ara-dalana
Amin’ireo fotoam-pahavelomana omenao ahy.
Ao anatin’ny fahatokisana tanteraka fa eo anilako mandrakariva Ianao
Mandram-pahatapitr’izao tontolo izao.
Amen.