Loza ho an'ny soatoavina moraly maha-olona ny fampitsaharana vohoka. Ny kalitaon'ny aina dia tsy manan-danja mihoatra ny hasin'ny aina maha-olona.Tsy mampihena ny hasina maha-olona ny fiiban'ny kalitaon'ny aina. Noho izany, ny fahasembanana ny zaza ao am-bohoka dia tsy afaka manamarina velively ny fandatsahana ny ainy. Fandaharana momba ny hasin'ny aina iarahana amin'i P. Nicholson Avotriniaina, Doctorant en théologie morale, Université Pontificale Urbaniana

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...