Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Nifanindran-dalana tamin’izao pelerinazy izao ny fankasitrahantsika ny Papa Fransoa nanome antsika ity taona ity ho taon-jobilin’ny fanantenana sy ny hafaliana tsy hay lazaina niombonantsika tamin’ny kristianina katolika maneran-tany sy izao tontolo izao mihitsy tamin’ny nanomezan’ny Tompo antsika Papa vaovao dia ny Ray Masina Léon faha-14. Tsy hisy hanadino ny fitiavan’I Papa Fransoa manokana an’I Madagasikara isika, notehiriziny mandrakariva tao amin’ny fony sy ny birao fiasany ny fahatsiarovana tsara nomentsika mianakavy azy fony izy nandalo taty tamin’ny 2019. Endrey ny alahelontsika nandre ny fandaozany an’izao tontolo izao hody any amin’ny Ray taorian’ny fotoana nitsaboana azy tany amin’ny hopitaly. Samy nanaiky nefa isika fa tena Papa nahavita be izy ary izao hafalian’ny Jobily sitrahantsika izao dia mbola fanomezan’Andriamanitra tamin’ny alalany. Raha mbola tao anatin’izany alahelo izany anefa isika no indro notsenain’ilay tafatsangan-ko velona hafaliana ka nilazany tamin’ilay voafidiny dia I Papa Léon faha-14 hoe “ho aminareo rehetra anie ny fiadanana”. Izao hiainantsika mianakavy izao ny vokatr’izany hafaliana nentin’ny Paka izany. Arahabaina isika mianakavy nahazo Papa vaovao ary nahazo fahasoavana vokatry ny pelerinazy e!
Hiverina hihazo ny toerana misy antsika àry isika mianakavy ka irinay Eveka ny hanome voan-dalana ara-panahy anareo mba tsy ho fotoana handalo fotsiny ho antsika mianakavy izao fotoana izao fa hisy akony amin’ny fianam-panahy sy ny fianantsika andavanandro. Nankinintsika tamin’I Fo masin’I Jesoa ny firenentsika. Efa naverina hatry ny omaly fa ny fon’I Maria no làlana akaiky indrindra hahatongavantsika ao amin’ny Fo masin’I Jesoa. Fo: haintsika loatra fa ankoatry ny maha-taova sarobidy azy dia ao aminy no mitoetra sy mivoaka ny fitiavana. Tsy misy fitiavana marina ka tsy mivoaka avy amin’ny fo. Miavaka ity FO nanankinantsika ny nosintsika ity satria mbola misy hoe FO MASINA. Andriamanitra irery no masina, fon’Andriamanitra arak’izany ity mitempo fitiavana antsika mianakavy ka nanakinantsika ny firenentsika ity. Rehefa tia dia mikatsaka mandrakariva ny tsara ho an’izay tiana. Lavorary indrindra ka nomena ho tahafintsika ny Fo masin’I Jesoa ary modely fara tampony hianantsika sy hanahafantsika ny tena fitiavana.
Eo indrindra àry no hiantefan’ny hafatra ho antsika mianakavy: tsy ho azontsika lazaina fotsiny hoe Masina ny Fon’I Jesoa nefa tsy iezahantsika akory ny miaina sy manahaka ny fitiavana homeny. Isika rehetra tafavory sy manaraka amin’ny haino aman-jery any an-trano izao, samirery sy miaraka, no irahina ho fo mitempon’I Jesoa ka hiaina sy hanaparitaka ny fitiavany any amin’izay misy antsika: ao an-tokatrano, ao amin’ny fianakaviana, any am-pianarana, any am-piasana, eo ampanaovana politika, eo ampikatsahana ny toe-karena iombonana, eo amin’ny fiaraha-monina, eo amin’ny fanajana toy ny anakandriamaso ny tontolo iainana, any amin’ny tanàna sy ny vohitra misy antsika…Masina ny fon’I Jesoa, fa masina manahaka azy koa ny fontsika raha toa ka miorina ao amin’ny fony sy manahaka ny fitiavana asehony. Isika rehetra izao no voahiraka hitia sy ho tia. Tsy teny na kabary ambony vavahady ny hoe tia fa hetsika hita maso amin’izay hatao rehetra. Ka hoy izahay eveka aminareo hoe “tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao hatao” (Md Augustin)!
Asehoy amin’izay rehetra ataontsika fa fon’I Jesoa ny fontsika. Halaviro ny ratsy, ny valifaty, ny fanaratsiana be fahatany ny hafa, ny famitahana, ny kolikoly, ny tsy fijerena hafa tsy ny kilema sy ny ratsy vitan’ny hafa, ny fitenenan-dratsy sy ny fanompana olona tsy an-drariny eny amin’ny tambajotra sosialy…. Ireo rehetra voatanisanay ireo dia andavanandrontsika nefa tsy maneho fitiavana, noho izany tsy sahaza ny fo, tsy mifanaraka ho azy amin’ny Fo masin’I Jesoa.
Miezaha ho feno fitiavana, famindram-po sy famelan-keloka ho entintsika hanorina fiadanana manomboka amin’ny tenantsika ka ho tonga hanenika ny firenentsika. Ampitomboy ao anatintsika ny fitiavana ny hafa satria ny fo tsy natao hitempo fitiavana ho an’ny tena izay misy azy fotsiny fa ho an’ny hafa. Toy izany ny Fon’I Jesoa nankalazaintsika tamin’ny fomba manokana nandritra izao pelerinazy izao. Sahia mivoaka ny fitiavan-tena mba ho afaka hitia ny manodidina antsika: ny olombelona, ny zava-boahary ary Andriamanitra izay tena tia antsika. Tsy misy fankahalana maharafitra fiaraha-monina vanona, noho izany raha tsy manam-pitiavana arak’izay hatoron’I Jesoa isika tsy ho afaka hanana fiaraha-monina Malagasy hampiadana sy hahafinaritra antsika. Ny fitiavana tena izy tsy mihatsara velatsihy irery ihany no afaka hanome endrika tsara ny tontolo misy antsika.
Matoky izahay Eveka, fa na dia ny Kristianina katolika manaja sy matoky ny Fo masin’I Jesoa fotsiny aza no miezaka ho feno fitavana amin’izay ataony sy amin’izay sehatra misy azy, tsy maintsy hiova ny tontolo sy ny firenentsika. Tsy mbola izany anefa no misy ka izany no hanentananay anareo handeha hody mba hampitombo ny FITIAVANA ary hivavaka amin’ny Fo masin’I Jesoa mba hanahaka ny Fony ny fontsika.
Farany, anatin’ny taon-jobilin’ny fanantenana isika mianakavy izao. Ny fanantenana tena lavorary indrindra dia I Jesoa tafatsangan-ko velona. Aoreno eo aminy ny finoantsika sy ny fanantenantsika fa Izy irery ihany no tsy hamitaka antsika na oviana na oviana. Io Jesoa tafatsangan-ko velona io no no nanorina ny Eglizy ka izany no mahatonga antsika mankalaza ny finoantsika toy izao ato anatin’ny Eglizintsika. Sahia mijoro ho Katolika marina, feno fanantenana fa afaka manova fiaraha-monina tena izy ianao, isika, raha miorina ao amin’I Kristy marina tokoa. Aza menatra ny maha-katolika anao, nefa aoka koa tsy ho katolika feno avonavona. Mbà Katolika feno fitiavana ka zary fo mitempo tahaka ny fo masin’I Jesoa. Tsy katolika anarana fotsiny isika fa tena Katolika amin’izay atao sy izay sainina. Aza kivin’ny adim-piainana ka hivarilavo amin’ny tsy fahamarinana, na amin’ny fampiroboroaboana ny tsolotra sy ny kolikoly fa sahia miankina amin’ny Tompo na inona na inona miseho. Mifampitsinjova fa soa toavintsika Malagasy mifanaraka min’ny Evanjely ny hoe “trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana”. Tsy ho rovitry ny herisetra sy ny habibiana anie ny fiaraha-monintsika, tsy ho zary sehatra itsentsefan’ny vaventy ireo madinika satria feno kristianina mitondra ny Fo masin’I Jesoa ary velom-panantenana mandrakariva miaraka aminy.
Homenay Eveka anareo miaraka amin’ny Indolzansy manontolo vokatr’izao ezaka ara-panahy notontosaintsika mianakavy izao ny tso-dranon’Andriamanitra hambomba tsy hahasaraka anareo hiverina ho any amin’ny ankohonanareo. Ho feno hafaliana be anie ny fonareo hiala eto amin’ity toerana ity satria feno an’I Jesoa, ary haharitra izany hafaliana izany satria avy amin’ilay tafatsangan-ko velona izay nampanantena hitondra fiadanana ho antsika rehetra sy hitoetra eo amintsika mandrakariva. Lazao amin’ny any an-tanàna ny hafalianay Eveka nahita anareo maro sy niara-nivavaka taminareo ary ampitao amin’izy ireo fa tsy mitsahatra mivavaka ho anareo sy ny tanindrazantsika izahay.
“Ry Jesoa malemy Fanahy sy manetry tena ao am-po ô! Ataovy manahaka ny fonao ny fonay".
Samia ho tahian’Andriamanitra!