Manatanteraka fitsidihana-fivahiniana masina antsoina amin'ny teny mahazatra hoe : "Visite ad limina"- ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara. Any amin'ny Bazilikan'ny apostoly ao Roma, ary isaky ny dimy ny taona no anatanterahana izany. Mivavaka, mihaona sy mitafa amin'ny Ray masina ary mitsidika ireo sampan-draharaha samihafa ao Vatican no ataon'izy ireo mba hikatsaka ny soa ho an'ny fiainan'ny Eglizy sy ny vahoakan'Andriamanitra. Fandaharana iarahana amin'i P Jean Séraphin Rafanomezantsoa, Secrétaire de coordination, Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara

[audio src="/images/sounds/hc-20221023.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...