Amin'ny vanim-potoanan'ny "Avent" toy izao, ny Fiangonana Katolika dia mampiasa famantarana dia ny Fehezam-boninkazon'ny "Avent" (couronne d'Avent), izay ahitana labozia 4 , arehitra isaky ny alahady efatra mialohan'ny Noely. Ireo labozia ireo dia maneho herinandro efatry ny "Avent", labozia iray no arehitra isaky ny Alahady ary mifanaraka amin'ny herinandro ny isan'ny mirehitra. Ny telo amin'ireo labozia dia tokony miloko volomparasy ary ny iray ampiasaiana amin'ny herinandro fahatelo dia miloko mavokely. 

Ato anatin'ny herinandro voalohany amin'izay fiaviana izay àry isika izao ka ny labozia voalohany, izay volomparasy, dia maneho ny fanantenana. Antsoina hoe "Labozia Faminaniana" izy io indraindray, ho fahatsiarovana ireo Mpaminany, fa indrindra Izaia Mpaminany, izay manambara mialoha ny nahaterahan'i Kristy. Maneho ny fiandrasana ny fahatongavan'i Mesia ihany koa izy io. Ankoatra ny hoe fotoana hiandrasana ny Noely ny fiaviana dia fotoana hibebahana marina, hanov0na ny toe-tsaina mba hahafahan'i Jesoa mahazo anjara toerana ao anatintsika. Fotoana hiainana ny fanetren-tena ihany koa satria ny fahasoavan'Andriamanitra dia miasa amin'ireo madinika, mahantra, osa, tsy manana fiarovan-tena, tsotra sy manetry tena.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...