♦ Tetikasa SRJS :  Madagasika dia isan'ireo firenena miisa 16 misitraka ity tetikasa ho fiarovana ny tontolo iainana ity, azo adika ho "vahaolana iraisana, harena iombonana" nanomboka tamin'ny 2016. Toerana maromaro no hiasàny : Ampasindava distrika Ambanja sy ny distrika Soalala... ♦ Aye-aye na Bekapaky na ihany koa karapaky dia isan'ireo varika tandindomin-doza ahiana ho lany tamingana... ♦ Alliance Voahary Gasy : tompo-kevitra amin'ny fampiasana ny laharana maintso 512, ahafahana mitatitra vaovao mikasika ny tontolo iainana sy ny fandripahana ny harenam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...