Mbola ao anatin’ny fankalazana ny taon-jôbily 2025 isika ka maro dia maro ny hetsika rodobe homanin’ny sehatra nationaly, diosezy, distrika, fikambanana, vaomieran’asa. Maka lesona mankany amin’ny ho avy tsara kokoa foana isika ary ny tanjona dia tsy dia hisy loatra ny olana, ny loza ary tafaverina soa ama-tsara tsy marofy avokoa ny mpivahiny rehetra. Ifandrimbonan’ny rehetra ny fiomanana sy ny fandraisana an-tanana. Na sehatra inona na sehatra inona dia tsara foana mifanakalo hevitra amin’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana amin’ny diosezy misy anao na distrika na paroasy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...