17 taona katroka androany ny fandaharana "Hirika". Fandaharana nivoizana ireo hevitra sy vaovao momba ny fampandrosoana tamin'ny lafiny maro indrindra ho an'ny teny amin'ny tontolo ambanivohitra...

Ny Alakamisy 04 novambra 2004 no nandeha voalohany teto amin'ny onjapeon'ny Radio Don Bosco ny fandaharana "Hirika". Mitontona alakamisy ihany koa ny 04 novambra tamin'ity taona ity...

Ankasitrahana ianao mpihaino fa noho ny  fanohanana avy aminareo no nahatratrarana izay 17 taona izay, ankasitrahana ihany koa ianareo izay nandray anjara, tsy nisy izay mpisehatra amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ka tsy nivahiny teto amin'ny "Hirika", tsy ho voatanisa eto ianareo fa marobe, teo ireo tompon'andraiki-panjakàna, ny vovonam-pikambanana, ny tantsaha, ny teknisiana.

Maro dia maro ianareo no nifarimbona nampandeha ny "Hirika" nandritra izay fotoana izay ka mirary soa antsika rehetra samy hatratra ny fanamby dia ny fampandrosoana miainga eny ifotony mba ahafahan'i Madagasikara misandratra amin'ny lafiny maro...

Fampandrosoana sy fampivoarana mbola ikarohana "hirika" sy hevitra samihafa sy fanatanterahana ihany koa ny ahatateraka azy... Kely sy bitika no vitan'ny "Hirika" nandritra ny 17 taona izay, kanefa nahatsapa ihany koa izahay fa mba isan'ny nitondra ny anjara birikiny tamin'ny fampivoarana tamin'ny alalan'ireo hevitra maro samihafa novoizina teto.

Ny hevitra no novoizina teto fa anjarantsika tsirairay avy no mameno ny banga amin'ny alalan'ny fampiharana sy fandraisana andraikitra handresy lahatra ny mpiara-belona hampihatra azy... "Hirika"! Ndao hifanohana fa tsy hifamingana.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...