Manohana an'ireo tanora hiatrika ny fampandrosoana eny ambanivohitra amin'ny alalan'ny fampiofanana sy tohana atao azy ireny ny tambazotra FARMADA, rafitra ivondronan'ireo mpampiofana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra.

Ampanantanterahana ny tetik'asa fanampiny iantsorohan'izy ireo, nampitondraina ny anarana : "Fahavononan'ny sehatra marolafy ho fanatsaràna ny tolotra ara-panofanana sy ny fampiroboroboana ny fandraharahana madinika eny ifotony".

Tetik'asa mandritra ny folo volana natokana ho an'ny tanora 200 mahery niala an-daharana tany an-tsekoly. Kendrena ho vehivavy ny 30% amin'ireo hisitraka ny tetik'asa.

Miara-dalana amin'ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakàna hampandrosoana ny eny ambanivohitra sy fanofanana ho an'ny tanora hampiroborobona ny seha-pihariana eny ambanivohitra ity tetik'asan'ny FARMADA tanterahana amin'izao fotoana izao ity hoy Andriamatoa Serge Merison, filohan'ny tambazotra FARMADA eto Madagasikara.

Niaina ny voka-dratsin'ny valan'aretina Covid moa ny sehatr'asan'ny FARMADA saingy efa manomboka miverina tsikelikely indray izany hoy ny filoha nasionaly Andriamatoa Serge Merison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...