Tsy tokony ho tara ny ady atao amin'ny valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy mba tsy hitarika fahavoazana goavana amin'ny famokarana sakafo eto Madagasikara. Antso avo nataon'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny Fambolena sy ny Sakafo na ny FAO tamin'ny 10 septambra 2021 teo...

 Velaran-tany 400 000Ha no tsy maintsy anaovana izay ady amin'ny valala izay, mialohan'ny fotoana hirotsahan'ny orana ; fotoana mampirongatra ny andiam-balala sy mampihitatra azy amin'ny faritra samihafa. Famatsiam-bola hatrany amin'ny 6 800 000 Dolara amerikana no tsy maintsy ilaina mialohan'ny volana oktobra izao hiatrehana ny asa famonoam-balala hanomboka ny volana novambra izao hatramin'ny volana may 2022.

Ny 400 000 Dolara amin'io no efa vonona izay fanampiana maika avy amin'ny FAO. Ny Banky iraisam-pirenena no efa nanambara fa vonona handray anjara amin'ny famatsiam-bola vokatry ny fandresen-dahatra nataon'ny Fanjakàna malagasy ka ny fombafomba amoahana ny vola sisa no andrasana araka ny fanazavan'ny solontena maharitry ny FAO eto Madagasikara, Charles Boliko.

Nidina ifotony nijery ny toe-java-misy tany atsimo ny teknisianin'ny FAO ka tamin'izany no nilazàn'izy ireo fa ilaina ny fampiasana fiaramanidina toa ny helikôptera amin'izay ady amin'ny valala izay. Mitotaly 550 ora no sidina atao amin'izany, ny 150 ora hanaovana ny fanadihadiana handrafetana ny lamin'asa amin'ny famonoana, ary ny 400 ora ambiny, ilaina amin'ny famonoana ny valala araka ny fanazavan'ny manam-pahaizana manokana eo anivon'ny FAO.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...