Mila hamafisina ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy Andriamatoa Zafisolo Louis, mpiompy any amin'ny Faritra Androy raha tiana ny hamaha ny olana mahazo ny mponinia noho ny fisian'ny kere. Manana toerana manokana amin'izany ny fiompiana osy.

Ny fambolena araka ny fanadihadiana nataon''Andriamatoa Zafisolo Louis no namotika ny tontolo iainana tany amin'ny Faritra atsimon'ny nosy. Mafy loatra ny tsindry naterak'izay fambolena izay ka niafara tamin'ny fahasimban'ny tontolo iainana. Nanampy trotraka ihany koa ny hamafin'ny tsioka atsimo... 

Ny fiompiana osy no tena mety any amin'iny tapany atsimon'ny nosy iny. Ny fiompiana osy izay soatoavina ara-kolontsaina any amin'izany faritra izany. Manana anjara toerana lehibe amin'ny toekarena koa satria fiompiana natao hitahirizam-bola izy. Mivadika ho vola haingana ary azo atao ny manodina ny vokatra azo avy aminy, toy ny henany, ny rononony ary ny hodiny sy ny volony.

Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra nefa ny fananana antontan'isa momba ny fiompiana hoy Andriamatoa Zafisolo Louis. Isan'ny lesoka iray eto Madagasikara ny tsy fananana antontan'isa mazava momba ny isan'ny biby fiompy. Lasa mametraka olana amin'ny fikarohana tsena any ivelany. Isan'ny iharan'izany ny fiompiana osy. Misy ny tsena any ivelany saingy tsy fantatra mazava ny isan'ny osy eto Madagasikara ka olana amin'ny famaliana ny komandin'ny mpanafatra izany.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...