Lesoka lehibe ho an'ny fivoaran'ny famokarana eny ambanivohitra ny tsy fahampian'ny teknisiana manoro lalana azy ireo momba ny haitaom-pamokarana. Antony nahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra manofana ireo tantsaha any amin'ny faritra misy azy ireo.

 Efa niresaka ireo fivoarana misy niainga tamin'ny fikarohana sy fanatsaràna nataony momba ny zezika kankana i Papa Bio. Mbola tsy afa-po nefa izy fa misy indray ny hevi-baovao sy tombotsoa amin'ny fampiasàna ny zezika Kankana. Ny Zezika kankana hoy Andriamatoa Ranaivoarison Basile dia miady amin'ny bibikely manimba voly ka miantoka ny fitomboan'ny vokatra. Mahatohitra ny fanala any amin'ny faritra tena mangatsiaka ihany koa ankohatra izay ny fampiasana ny zezika kankana.

Izany rehetra izany hoy Papa Bio dia tokony ho fantatry ny tantsaha saingy olana eto amin'ny firenena ny tsy fahampian'ny teknisiana mizara izany. Antony mahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra mizara traik'efa sy fahalalana ho an'ireo mponina eny ambanivohitra. Tsy misy afatsy ny fampiasàna ny haitao ara-biolojika mantsy ny antoka hampiroborobo ny fiharian'ny tantsaha eto Madagasikara.

Miombon-kevitra amin'izany koa Andriamatoa Rakoto Jean Pierre, mpanabe ary mpisehatra momba ny fampandrosoana. Izy izay efa nanoratra boky maro momba ny hirika ahatongavana amin'ny fivoarana.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...