Nisedra olana mafimafy indray ny mpamokatra ronono nandritra ny fikatonan'ny faritra samihafa tamin'ity taona ity noho ny fampiharana ny fepetra tsy iparitahan'ny valan'aretina. Manomboka mivaha kosa izany amin'izao fotoana isokafan'ny faritra izao... 

Tsy afaka nivarotra araka ny tokony ho izy ny ronono novokariny ny tantsaha. Tsy vitsy izy ireo no nanary ny ronono tsy lafo rehefa tsy afaka namadika izany ho vokatra hafa hoy ny filoha nasiônalin'ny Malagasy Dairy Board na ny MDB, Razafindraibe Haingotiana.

Niteraka fahasahiranana tamin'ny fikarakarana ny fiompiana ny tsy fahampian'ny vola niditra satria nisy akony tamin'ny sakafon'omby izany, toa ny tsy fahampian'ny fambolena vilona, ny olana amin'ny fitahirizana ny ronono. Ny teto Analamanga sy ny tany Vakinankaratra no isan'ny nisedra olana, indrindra ny tany Vakinankaratra, fa tsy toa izany kosa ny faritra hafa.

Efa miverina tsikelikely ankehitriny ny fiharian'ny tantsaha mpamokatra ronono taorian'ny fisokafan'ny faritra teto amintsika, saingy ny kalitao no mametraka olana hoy ny filohan'ny MDB. Niverina indray mantsy ny baranahiny amin'y tsy fanajana fenitra ka anentanana ny tantsaha hitandro izany. Ny mpanodina ny vokatra toa ny fanamboarana frômazy, no misedra olana amin'izay tsy fahampian'ny kalitao eo amin'ny ronono vokarina izay hoy Andriamatoa Razafindraibe Haingotiana. 

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...