Nisy ny antso avo nataon'ny Federasiônan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 08 marsa lasa teo... 

Tsy tokony ho fisehoana ivelany fotsiny fa tena ijerena izay hahasoa ny fiainan'ny vehivavy mba ho olom-pirenena mendrika sy fanoitra amin'ny fampandrosoana, indrindra eo amin'ny fiatrehana ny covid sy ny fiatraikan'ny fiovan'ny teotrandro ny fankalazana ny 8 marsa hoy ny vehivavy tantsaha mivondrona ao amin'ny Federasiônan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM...

Mihasarotra ny hiatrehan'ny tantsaha ny famokarana ataony sy ny fivelomany amin'ity taona ity sy ny taona ho avy manaraka noho ireo antony ireo hoy hatrany ny FVTM. Manoloana ny olana misy àry dia nanao antso ho an'ny Fanjakàna sy ny mpiara-miombon'antoka mba hametraka tahirim-bola manokana ho an'ny tantsaha hiatrehana ny fiatraikan'ny Covid-19 sy ny fiovan'ny toetrandro ny FVTM...

Fiombonan'ireo fikambanam-behivavy misehatra amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny FVTM. 16 taona teo izao no niorenany ara-panjakàna. Sehatr'asa samihafa no  ikarohany hevitra mba hampandrosoana izany, isan'izany ny sôsialin'ny vehivavy, ny fanatsaràna ny famokarana, ny fikatsahana ny zo fototra ho a'ny vehivavy, indrindra ny zo fisitrahana ny fananan-tany... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...