Mompera Pedro Opeka : 30 taona mahery nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, mba hananana fiainana tsaratsara kokoa. 30 taona mahery nahitana fahombiazana, nisedrana fahoriana samihafa, isan'izany ny fiatrehana ny coronavirus saingy toa lalovana fotsiny izany rehefa ny fitiavana ny olona rehetra ho toa ny rahalahy sy anabavy no nanosika hiantsehatra amin'izany. Mitohy ny ezaka fampandrosoana sy ny fandresena ny fahantrana nataon'ny fikambanana AKAMASOA tao anatin'ny 30 taona mahery... 

0 : 00

Niainga tamin'ny foto-drafitr'asa farany izay tsotra ny tao Andralanitra 30 taona lasa mahery. Ankehitriny, tanàna itoeran'ny fandrosoana amin'ny lafiny samihafa no tazanao ao amin'ny ankapobeiny. Ny finoana tokoa mahafindra tendrombohitra, ka nody ventiny ny rano natsakaina. An'hetsiny ireo olona nandalo tao amin'ny toby Akamasoa nila vonjy ka nampian'ny Fikambanana. Nahatsangana trano 3.000 mahery ny Akamasoa, efitrano sekoly 300 mahery amin'ireo, sekoly 30 vaovao nahorina. Miisa 30.000 ny olona mipetrakaao amin'izany vohitra izany tamin'ny faha-30 taonany, izay ireo nampian'i Mompera Pedro, izay avy aminà fianankaviana sahirana an'arivony maro. Manodidina ny 14.000 ny ankizy mandia an-tsekoly. Izany no porofo hoy Mompera Pedro fa tsy lahatra akory ny fahantrana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...