Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...

Natao tany Mahajanga ny 20 sy 21 Mai ny fikaonandoham-pirenena sy fifanakalozana momba ny tantely iarahan’ny tranoben’ny tantsaha mikarakara amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy dia ny sampan-draharaha iraisam-pirenena hoan’ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO. Manana vina hanatsara ny famokarana sy fanjarian-tsakafo anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy fanatsaràna ny fari-piainan’ny mponina ny FAO amin’ny alalan’ny FFF FAO araka fanazavan’ Andriamatoa RAKOTOSON Philibert, masoivohon’ny FAO miandraikitra ny fandaharan’asa eto Madagasikara momba izay.

Manome lanja ny fiompiana tantely ny tranoben’ny tantsaha hoy ny filoha nasionaliny RAZAFIMBOLOLONA Angeline. Ny tranobe izay manofana tantsaha 24 miandahy hahay sy ho zatra amin’ny lalam-pihariana tantely. Tetik’asa iarahana amin’ny FFF FAO ihany koa.

Nisy ny fidinana ifotony nifanakalozan-kevitra, eny amin’ireo toeram-piompiana samihafa ao Boeny, ny alarobia 21 Mai andro faharoa amin’ny fikaonandoham-pirenena sy fifanakalozana momba ny tantely.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...