Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...

Natao tany Mahajanga ny 20 sy 21 Mai ny fikaonandoham-pirenena sy fifanakalozana momba ny tantely iarahan’ny tranoben’ny tantsaha mikarakara amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy dia ny sampan-draharaha iraisam-pirenena hoan’ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO. Manana vina hanatsara ny famokarana sy fanjarian-tsakafo anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy fanatsaràna ny fari-piainan’ny mponina ny FAO amin’ny alalan’ny FFF FAO araka fanazavan’ Andriamatoa RAKOTOSON Philibert, masoivohon’ny FAO miandraikitra ny fandaharan’asa eto Madagasikara momba izay.

Manome lanja ny fiompiana tantely ny tranoben’ny tantsaha hoy ny filoha nasionaliny RAZAFIMBOLOLONA Angeline. Ny tranobe izay manofana tantsaha 24 miandahy hahay sy ho zatra amin’ny lalam-pihariana tantely. Tetik’asa iarahana amin’ny FFF FAO ihany koa.

Nisy ny fidinana ifotony nifanakalozan-kevitra, eny amin’ireo toeram-piompiana samihafa ao Boeny, ny alarobia 21 Mai andro faharoa amin’ny fikaonandoham-pirenena sy fifanakalozana momba ny tantely.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...