Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.

Misy dinganga telo ny famokarana atao hoy Papa Bio. Voalohany ny fikarakarana ny sakafony. Ny faharoa dia ny fampidirana ny kankana ao anaty kesika, toerana iompiana azy, ary ny fahatelo dia ny fikarakarana ny zezika avy aminy. Tsotra kanefa ilàna fifehezana sy fahazarana ny famokarana ny zezika kankana ka azon'ny tantsaha rehetra atao.

Maro ny tombotsoa azo amin'ny fampiasàna ny zezika kankana araka ny fanazavan'i Papa Bio. Voalohany, ireo kasinga natoraly ao anatiny izay tena ilain'ny zava-maniry. Tsy mifidy fa izay karazana zava-miniry dia mety aminy avokoa. Faharoa, iadiana amin'ny bibikely mpanimba voly ny zezika kankana. Fahatelo ny fahazoana vokatra biolojika amin'ny fampiasana azy, izay tsara ho an'ny fahasalamana.

Ny ara-toekarena, tena tadiavin'ny tsena ny vokatra ara-biolojika, tsy eto an-toerana ihany fa eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ihany koa. Tsara ankohatr'izay ny vidin'ny vokatra, izay mihoatra lavitra noho ny vokatra nampiasàna ny anam-pamokarana misy singa simika.

Ny kankana avy any Califorine any Etats-Unis, iray tarika amin'ny Eugenia, mahery mihinan-kanina indrindra amin'ny kankana misy no ompiana. Kankana mahalany sakafo mitovy amin'ny lanjany ary mitovy ary mitovy amin'izany koa ny zezika azo aminy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...