Nifarana androany ny fandaharana Hirika tamin'ity taona 2023 ity. Fandaharana nanaovana jery todika ny vaovao nisongadina momba ny tontolo ambanivohitra. Ny zava-nitranga momba ny tontolo ambanivohitra ny volana janoary hatramin'ny volana jona 2023 lasa teo no hanaovana tamberina...

 

Mankasitraka ireo rehetra nandray anjara teto amin'ny fandaharana, tsy ho tanisaina eto, fa sao misy adino ; isika rehetra no nitoto nahafotsy ary nahandro nahamasaka ny fandaharana tamin'ity taona ity. Tokana ny tanjona, ny fitondrana hevitra, hirika hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Mankasitraka mankatelina anao mpihaino ihany koa ; mirary soa antsika rehetra hahatratra ny taona 2024 ny Hirika. Mirary fety sambatra ; samy ho tratran'ny asaramanitra avokoa.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...