Mamaha olana amin'ny tsy fahitan'ny tanora asa ny filofosana amin'ny fiompiana. Isan'ny nahazo vokatsoa tamin'izany Andriamatoa Randrianarisoa Lancia. Niainga tamin'ny bitro miisa 5, Andriamatoa Randrianarisoa Lancia, monina ao amin'ny Kaominina Anjepy, distrikan'i Manjakandriana, ankehitriny efa maherin'ny 2.000 isa ny bitro novokariny tao anatin'ny taona vitsy.

Resiko lavitra hoy Lancia ny mpiasam-panjakàna amin'ny vola miditra noho ity fiompiana bitro ity. Miisa 10 isan-kerinandro ny bitro vaventy raisin'ny trano fisakafoana mamandritra azy. Ao anatin'ny iray volana hoy izy an-tapitrisany ny vola miditra aminy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...