Nandrombaka ny medaly volamena ho an'ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin'ny fifaninana eran-tany amin'ny famokarana cacao mifanaraka amin'ny kalitao takian'ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin'ny vondron'ny kaoperativa Lazan'i Sambirano any amin'iny Faritra Diana iny tamin'ny taona 2021. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo...

Hanatsara ny velotenan'ny mpamokatra cacao ao amin'ny  kaoperativa Lazan'i Sambirano ny nahazoana ny anaram-boninahitra. Hisarika ny mpanafatra hisafidy ny vokatr'izy ireo mantsy izany hoy Andriamatoa Aldis Arnaud Toly, filohan'ny kaoperativa. Mamokatra cacao 700 aonina isan-taona ny kaoperativa. Ny 300 taonina amin'io ihany no ahondran'izy ireo mivantana. Ny 400 taonina kosa ny mpanangom-bokatra no mandray azy.

Tsy mena-mitaha amin'ny vokatra any amin'ny firenen-kafa ny cacao eto Madagasikara. Kalitao faran'izay tsara mantsy ny vokatra eto amintsika, ary mbola tena biôlôjika, tsy misy taharo simika tamin'ny fikarakarana azy, ka izay no mahabetsaka ny tinady any ivelany any, ary nahatsara ny vidin'ny cacao eto Madagasikara, mihoatra amin'ny firenen-kafa.

Porofon'izay kalitao tsara ho an'ny cacao ao Sambirano izay no nahazoan-dramatoa Sovenira Vahiny, filohan'ny kaoperativa TMAR tantsaha ao amin'ny vondron'ny kaoperativa Lazan'i Sambirano ny medaly volamena ho an'ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin'ny fifaninana eran-tany amin'ny famokarana cacao kalitao takian'ny tsena ity kaoperativa ity tamin'ny taona 2021. Mbola tantsaha ao amin'izany kaoperativa izany koa no nahazo ny medaly alimo Aly Robert tamin'io fifaninana io.

Mampihena ny famokarana cacao eto amintsika ny fahasimban'ny tontolo iainana. Isan'izany ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro. Olana azo vahana avoka izany rehetra izany ho ny teknisiana raha samy mandray ny andraikitra manandrify azy ary mivondrona ny hery rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...