Manohy ny sehatr’asa fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ato amin’ny faritra Analamanga ny Fikambanna Tsiky’Tsika. Nampivondrona an’ireo tantsaha manodidina liana amin’ny ezaka ataon’ny  tantsaha mivodrona ao aminy indray ny fikambanana  nanomboka ny 28 Jona hatramin’ny 30 jona 2023 lasa teo...

Ireo tantsaha resy lahatra tao amin’ny kaominina Fihaonana ao amin’ny disrikan’Ankazobe no nisitraka izany ka tao amin’ny fokontany Soanavela no anaovana izany atrik’asa fihofanana izany. Fampivondronana ahafahanan’ireo tantsaha ireo mahafantatra misimisy kokoa ny tanjona sy ny zava-kendreny ary azony ampihariny amin’ny tontolo iainany eo amin’ny taniny sy eo amin’ny fiainany manokana tsirairay avy ahafahany mivoatra mankany amin’ny fampandrosoana maharitra amin’ny fiainany araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny fikambnana Tsiky’Tsika, Miora Nirina Iangotiana Rakotobe momba ny lohahevitra ampitain’ny amin’ny mpiofana.

Famelabelaran-kevitra nataon’Andriamatoa Faly Rafieferana niompana tamin’ny fanabeazana amin’ny fampandrosoana no nisantarana ny andro voalohany. Maro ny lohahevitra novoizina tao amin’izany izay miompana amin’ny fomba ialàna amin’ny fahasahiranana mahazo ny tantsaha.

Mpamaky lay nampihatra voalohany ny teknika fambolena voizin’ny fikambanana Tsiky’Tsika dia ny famokarana ara-biolojia miaro ny tontolo iainana ao amin’ny kaominina Fihaonana Andriamatoa isany Sitraka Ravonjison, Randriamananjara Manou, Rabadaoro Tsimatahomanana na i Tsima izy ireo samy monina ao amin’ny fokontany Soanavela avokoa. Resy lahatra nampihatra ny famokarana ara-biolojia sy ny fiarovana ny tontolo iainana izy ireo noho ny fiovana entiny amin’ny lafiny maro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...