Natokana ho herinandron’ny vokatra tena tsara na ny « Semaine de l’excellence » ity herinandro ity. Maro ireo hetsika anehoana izany nanomboka ny talata lasa teo hatramin’ny alahady izao. Voalohany amin’izany hetsika izany ny fikaonan-doha na ny Forum B To B natao teny amin’ny Hotely Carlton Anosy. Hetsika nifampiresahan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Fanjakàna sy ny mpisehatra ara-pambolena niaraka tamin’ny rafitra ara-bola sy ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola....

Teo ihany koa ny fampihatranoan’i Madagasikara ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny lalam-pihariana Cacao na ny Panel Cacao Fin nandritra ny roa andro teny Ambodivona ary ny hay ranty biolojina na ny salon biolojika tanterahana etsy amin’ny CCI Ivato hatramin’ny alahady izao ny hetsika fahatelo anehoana izay herinandron’ny vokatra tena tsara izay.

Natomboka ny talata lasa teo ny Forum B to B. Tanjona ny hanamorana ny fifanakalozana sy ny fampiroboroboana ny famatsiambola eo amin’ny sehatry ny fandraharahaha ara-pambolena. Notombanana ho 400 ny isan’ny fihaonana nandritra ity fikaona-doha ity, niaraka tamin’ny fanolorana tetik’asa an-jatony, vita lamina tsara ny fanatanterahana azy. Niampiavaka ny hetsika tamin’ity taona ity ny fisian’ny fifanakalozana amin’ny tambazotra serasera amin’ireo antenimieran’ny varotra any ivelany any.

Nandray anajara ny tranoben’ny tantsaha Mpamokatra Nasionaly. Ny famahana olana momba ny tany, ahafahana mamokatra misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fifampiraharahaha amin’ireo olona manana tany midadasika no nandrandrain’izy ireo tamin’ity Forum B To B ity. Tanin’olontsotra 6 alina Hektara sy tanim-panjakàna 2 hetsy hektara mantsy no hita sy voafaritra nandritra ny andiany voalohany tamin’ny Foum B to B tamin’ny taon-dasa.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Forum B to B ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana RAMILISONA Harifidy. Nanambara fa ao anatin’ny fotoana mahamety azy tsara dia ny fananantsika ny fitaovana entina mampiroborobo ny fandraharahana ara-pambolena ity fikaonan-doha ity.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...