Mandrava ny voly, seha-piveloman'ny tantsaha ny bibikely mpanimba voly tato ho ato. Velon-taraina ny mpamboly any ambanivohitra manoloana izany. Hirika iray ahafahana miady amin'izany no entin'i Papa Bio, na Ranaivoarison Basile.

Isan'ny tantsaha niaina ny fahavoazana nateraky ny bibikely mpanimba voly i Papa Bio. Nisy lolo fotsy mpanimba voly mantsy, ny voankazo nambolen'i Papa Bio teo amin'ny sahany. Natao ny fomba samihafa namonoana azy ireny, fa ezaka very maina ny azy, hoy i Papa Bio.

Nikaroka hevitra hafa àry i Papa Bio, ka tamin'ny alalan'ny fikarohana no nahitany fa misy taharo, poizina mamono bibikely mpanimba voly, ao anatin'ny mangahazo. Mandalo dingana maro anefa ny fikarakarana, vao azo izany singa izany, ary izay no akora hamonoana ireo bibikely mpanimba voly samihafa ireo, hoy i Papa Bio.

Mahomby ny singa azo avy amin'ny mangahazo, hamonoana ny bibikely mpanimba voly, saingy manampy izany koa ny fampiarahana azy amin'ny fampiasana zezika kankana. Hirika azon'ny tantsaha atao tsara ny mamokatra azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...