Nankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny teto Madagasikara. Maro ny hetsika nanehoana izany. Nanasa vehivavy tompon'andraikitra, misehatra amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny fandaharana HIRIKA. Tsy iza fa Ramatoa Tantely Rahoeliarivahy Rajobson...

Ramatoa Tantely Rahoeliarivahy Rajobson, Filoha mpitarika ny Fédération de Dirigeants et Entrepreneurs Madagascar (FEDEM) ; manam-pahaizana manokana momba ny kaonty (expert comptable), mpanara-maso ny kaonty any amin'ny orinasa (commissaire aux comptes), nahazo ny diplaoma momba izany tany Paris-France, mpampianatra sy mpampiofana ihany koa izy.

Niasa nandritra ny taona maro tany ivelany saingy nahatsapa fa manana adidy ho an'ny firenena dia ny fanampiana ny tantsaha mpiray tanindrazana, ka nitodi-doha teto an-tanindrazana. Nanangana ny FEDEM izy sy ireo namana mpiara-miasa aminy ny taona 2021 ahafahana manatratra izany vina izany.

Miasa amin'ny Faritra telo eto amin'ny nosy manohana ny asa famokaran'ny tantsaha ny FEDEM, dia ny ao Anjozorobe eto Analamanga, ny any Bongolava ary ny ao Vakinankaratra. Manofana ny tantsaha hahay hitantana ny asa famokarana no iraka tanterahana. Manofana ny tantsaha hahafolaka ny teknikam-pambolena ihany koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...