Ahiahiana ho miverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany indray ilay valan'aretina "Fièvre de la Vallé de Rift" na ny FVR efa nirongatra tany amin'ireo Faritra ireo ny taona 2021. Aretina mahazo ny omby sy ny ondry ary ny osy, izay mety mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka sy ny fikarakarana ny biby misy trangan'aretina ny FVR. Nanomboka hita tao Vatovavy sy Fitovinany ity aretina ity ny volana janoary lasa teo, ka omby 20 isa no efa maty ho an'ny ao Mananjary sy ny Nosy-Varika...

 Misy aretina mahazo ny omby ihany koa any amin'ny Faritr'i Diana, indrindra ny ao amin'ny Distrikan'Antsiranana-II. Aretin-koditra mahazo ny omby miseho amin'ny alalan'ny hoditra mivontovonto indray izy io. Omby 469 no tratran'ny aretina ao Diana, miparitaka amin'ny Distrika telo, dia Atsiranana-II, Ambanja ary Nosy-be. Omby 17 isa no omby maty. Moka no manaparitaka ity aretina ity. Efa mandray ny andraikitra ny ministera manoloana izany hoy ny tale jeneralin'ny Fiompiana, LEZOMA Tsiry Andriamahatoly.

Tsy aretina mifindra amin'ny olona akory ity aretin-koditra mahazo ny omby any Diana ity fa aretina tsotra mahazo ny biby ary voafolaky ny malagasy teknisiana tsara ny fitsaboana azy. Mbola mijanona ho ahiahy ho trangana FVR ny aretina mahazo ny omby ao Vatovavy sy Fitovinany hoy ny tale jeneralin'ny Fiompiana, LEZOMA Tsiry Andriamahatoly.

Azo sorohana tsara ny aretina mahazo ny omby any Vatovavy sy Fitovinany ahiahiana ho FVR amin'izao fotoana izao, na ilay aretin-koditra mahazo ny omby any amin'ny Faritr'i Diana. Manentana ny mpiompy hanatona an'ireo mpitsabo biby ny tale jeneralin'ny Fiompiana raha vao misy mampiahiahy fa tsy hanao dokotera tena. Ny tsy fahazoan'ny biby fiompy ny fitsaboana mifanaraka amin'ny aretina no mahafaty azy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...