Nanao tombana momba ny fampiharana ny drafitra itantanana ny ivon-toeram-panofanana na ny "projet d'établissement tamin'ireo ivon-toerana nanaovana andrana, ny tambazotran'ny ivon-toerana manofana momba ny asa famokarana eny ambanivohitra na ny tambazotra FARMADA. Atrik'asa nataon teny Antaninarenina ny faha-20 janoary 2023...

Miisa 09 ny ivon-toerana nanaovana andrana nandray anjara avy amin'ny Faritr'Itasy, Vatovavy, Fitovinany, Matsiatra-Abmony, Analanjirofo, Menabe ary ny eto Analamanga. Nifampizara traik'efa momba ny zava-misy tamin'ny fampiharana ny paik'ady ireo ivon-toerana nadray anjara sy mba ahafahan'ny ivon-toeram-panofanana hafa maka lesona amin'ny tsoan-kevitra aévy amin'izany.

Asa natomboky ny FARMADA tamin'ny taona 2020 ny famolavolana ny drafitra itantanana ivon-toeram-panofanana tany amin'ireo ivon-toerana nanaovana andrana ireo. 03 taona no nanaovana andrana. Misy ny tombana antenantenan'ezaka ahafahana mijery ny fahombiazana sy manitsy ny madilana mila hotentenina amin'ny famolavolana sy ny fanatanterahana azy...

Nahitan'ireo ivon-toerana mikambana ao amin'ny Tambazotra FARMADA fahombiazana ny fananana sy ny fampiharana ny drafitra itantanana ny ivon-toeram-panofanana na ny "projet d'établissement" tany aminy. Mamaritra ny fitaovana ilaina ampaharitra ny ivon-toeram-panofanana ka afahany miara-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, izy io hoy Ramatoa Razanaboahangy Estelle, talen'ny Foibe fanofanana CEFAR Sandratra ao Kianjavato, Faritra Vatovavy.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...