Manao tantsoroka amin'ny fanohanana ara-tsakafo an'ireo mponina ianjadian'ny tsy fanjarian-tsakafo any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny mpiray ombon'antoka amin'i Madagasikara, isan'izany ny governanta britanika. Nanolotra fanampiana 2 tapitrisa Livres Sterling, manodidina ny 2,16 tapitrisa dôlara ho an'i Madagasika hotantanan'ny fandaharan'asa eran-tany momba ny sakafo na ny PAM izy ireo hanohanana ara-tsakafo ny mponina any atsimo.

Tombanana hatrany amin'ny 1 900 000 isa ny olona iharan'ny tsy fanjarian-tsakafo ambony any amin'iny faritra atsimo sy atsimo-atsinanan'ny nosy iny ankehitriny. Olona 1 000 000 isa no hoampian'ny PAM mandritra ny fotoan'ny maintso ahitra manomboka ny volana novambra hatramin'ny volana avrily 2023, ka ilàna hatrany amin'ny 61 000 000 Dôlara.

Efa misy ny tetik'asa lehibe hatao any amin'ny faritra atsimo iadiana amin'ny kere vokatry ny hain-tany. Maro ny ezaka atao ary misy amin'izy ireny no iarahana amin'ny PAM hoy ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramilison Harifidy. Misy ny iarahana amin'ny mpiara-miombon'antoka izay tarihan'ny governemanta. Tanjona ny hananan'ny mponina any amin'ny faritra atsimon'ny nosy sy ny malagasy sakafo.

Efa aparitaka ny voly mahataty ny toe-tany any amin'ny faritra atsimo. Isan'izany ny voly apemba (sorgo) sy ny voly bajira (mil), manampy ny voly nahazatra ny mponina hatramin'izay. Ny fiandohan'ity taona ity no nozaraina ny masomboly nahafahan'ireo mponina namboly ka nahafan'izy ireo nioty vokatra ka nahafapo ny vokatra niakatra tamin'izany. Efa miomana amin'ny paik'ady iatrehana ny mety ho fihenan'ny rotsak'orana amin'ity taona ity koa ny ministera hoy ny ministra Ramilison Harifidy.

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...