Manimba ny tontolo iainana indrindra fa ny faritra mando manodidina ny farihin'Alaotra ny faharavan'ny zetra manodidina azy. Velom-panahiana ireo mpandala ny fiarovana ny zava-boahary fa tsy ho hita ao Alaotra intsony ny zetra raha mbola mitohy ny fanimbana azy...

43 000 Ha eo ho eo i Alaotra ka ny 23 000 Ha amin'izay no zetra, dia ny faritra misy rano ahitana zozoro, bararata ary zava-maniry an-drano samihafa. Manana anjara toerana lehibe amin'ny fiarovana ny farihy ny zetra. Miaro ny antsanga sy ny riaka tsy hiditra ao amin'ny farihiben'Alaotra.

Noho ny filana tanimbary nefa dia manomboka rava tsikelikely ny zetra, misy mandoro havadika ho tanimbary. Maro ny karazan-java-maniry sy ny biby no efa tsy hita intsony vokatr'izany. Tandondomin-doza ihany koa ny lalam-pihariana jono mampalaza an'Alaotra...

Manana anjara toerana lehibe amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ao Alaotra ny zetra ka tsy tokony ho potehina hoy Andriamatoa Laingontsoa Andriamasinoro. Mila fandraisana andraikitra ny tsy haharava ny fiharian'ny mpanjono ao amin'ny farihin'Alaotra amin'ny alalan'ny fiharovana ny zetra hoy hatrany izy.

Mila mitovy hevitra noho izany ny rehetra amin'ny fiarovana azy io satria misy ireo mahatsapa ny mahasarobidy azy ka miaro izay manandrify azy. Ny hafa kosa mirona any amin'ny famadihana azy ho lasa tanimbary. Raha izay nefa no mitranga dia tandondomin-doza ny farihiben'Alaotra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...