Maina ny ankamaroan'ny tanimbary eny amin'ny distrikan'Antananarivo-Atsimondrano. Tsy manakana an'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert, nanetsa vary izany amin'izao volana desambra izao...

Ny teknika nokarohany ary nampihariny tamin'ny taon-dasa dia ny ketsa saraka no nampiasaina tamin'ity taom-pambolena ity. Nohatsaraina anefa ny fomba nanaovana ny ketsa saraka dia ny fitaovana nampiasaina. Raha gonin-tsimenitra no nampiasaina tamin'ny taon-dasa, natao plastika izany tamin'ity taona ity. Antony hoy ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert mba tsy ho potika vetivety ny fitaovana ka azo ampiasaina hatrany isaky ny taom-pambolena.

Isan'ny nanotrona ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert nandritra ny fanetsana Andriamatoa Ranaivoarison Bazile, na i Papa Bio amin'ny maha samy mpikambana azy ireo ao amin'ny fikambanana Lanja Miakatra. Nambarany fa tsy mahafehy ny voly vary ny ankamaroan'ny tantsaha na dia mieboebo ho mpamboly vary aza ny maro amin'izy ireny. Lesoka voalohany ny fampiasàna ranobe amin'ny voly vary. Hamandoana no ilain'ny vary hoy izy fa tsy rano be, ary izay no mahamety ity ketsa saraka ity. MIla hafanana ihany koa ny vary fa tsy mety amin'ny famafazana amin'ny andro ririnina.

Tsy nahasakana an'i Ramatoa Justine mpamboly vary avy any amin'ny distrikan'i Manjakandriana ny halaviran-tany fa tonga nanatrika ny fanetsana teny Itaosy izy. Izy izay isan'ireo niofana tao amin'ny saham-pambolen'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert, liana mba hampitombo ny vokatra any aminy. Niloa-bava Ramatoa Justine fa raha mampihatra ny teknika nohatsaraina amin'ny voly vary ny Malagasy tantsaha dia hahavita tena ara-bary i Madagasikara.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...