Ny Covid-19 dia valanaretina nahakasika firenena maro ary namoizana aina. Mety hakasika ny taovana rehetra ao anatin'ny olombelona iray ny Covid-19. Misy foana ny takaitra noho ny Covid-19 amin'ny olona izay nolalovany...
Voalohany ho an'ireo, narary kanefa tsy nahitana fahasarota dia mety mbola hitohy ny harerahana, tsy mahare fofona sy tsiro, mangidihidy ny hoditra, sempotra indraindray, teritery ny tratra... ; faharoa dia ireo tratry ny aretina ka nahitrana fahasarotana dia mety hisy takaitra ny taova : avokavoka, fo, lalan-drà, voa, kibo, vavony, tsinay, oditra, nofo, vanin-taolana, maso, ary ny saina...