Tamin'ny 04-05-06 aogositra 2021 teo no nanamarihana ny andron'ny vaksiny Polio teo Madagasikara ho an'ireo faritra ahiana ho misy tranga vaovao. Ny vaksiny ho an'ny lefakozatra dia natao ho an'ny zaza vao teraka hatramin'ny 59 volana. Ny lefakozatra dia aretina efa elabe no nisiany satria tamin'ny taona 1840 no nahitan'ilay Mpitsabo Jacob Heine azy voalohany. Misy karazany telo ny lefakozatra fa kosa voasoroka amin'ny alalan'ilay vaksiny amin'izao daholo...

Mifindra amin'ny alalan'ny loto tafiditra any am-bava ny lefakozatra. Ny 90% ny olona mararin'ny lefakozatra dia tsy ahitana soritr'aretina "Porteur sain" fa ny 10% ihany no ahitana fambara : manavinavy, malemilemy, marary andoha, maloiloy, mandoa, mihenjana ny hatoka, fahalemena tampoka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...