Ny 01 desambra dia andro eran-tany hanamarihana ny ady amin'ny SIDA. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity dia : ankino amin'ny fiaraha-monina ny ady amin'ny VIH/SIDA. Manana andraikitra amin'ny ady amin'ny SIDA ny tsirairay, izay mandrafitra ny fiaraha-monina, indrindra raha mandray fanentanana. Ny ankamaroan'ny malagasy dia tsy mbola resy lahatra fa misy ny VIH/SIDA, efa manodidina ny 1% io tranga io eto Madagasikara. Misy sokajy roa ny olona mitondra ny tsimok'aretina : Seropositif dia ireo mitondra ny tsimok'aretina, Sida maladie dia ireo mararin'ny Sida mihitsy. Mifindra amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo, sy ny fifampikasoana ra, reny mamindra amin'ny zanaka ao am-bohoka... 

 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...