Tsara ny vehivavy raha mba manana karine firaiketana ny andro fahatongavan'ny fotoana sy ny fitsaharany. Ny fitondrana vohoka an-tsoson-koditra dia mitranga rehefa atodinaina masaka no mipetaka ivelan'ny tranonjaza. Antony : mety efa nanao zaza an-tsoson-koditra ilay vehivavy tao aloha anefa tsy voatsabo tsara, misy olatra noho ny fahafahan-jaza, mety hisy tsy fahatomombanana ilay fantson'ny atodinaina, tsy fanarahana toro-marika mikasika ny fanabeazanaizana, fikorontanan'ny tahan'ny tsirim-panentana, fisian'ny aretina avy amin'ny firaisana ara-nofo. Fambara : manomboka amin'ny herinandro faharoa, mety tsy miverina ny fotoana, misy ra miloko volontsôkôla, misy tsiranoka miloko hafa tsy mitovy amin'ny tapotsin'atody, manaintaina... 

 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...