Betsaka ny vehivavy no mijaly vokatry ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana, maro ihany koa ireo mahatsapa io olana io aloha sy aorian'ny fadimbolana. Ny vehivavy matoa tonga fotoana dia misy tranon-jaza ao amin'ny miaraka amin'ireo taova mikasika ny fananahana. Ny tsingerin'ny fadimbolana iray dia miainga eo amin'ny fahatongavan'ny fadimbolana ary mifarana any amin'ny fadimbolana manaraka ; mandritra io fotoana io no mivoatra tsikelikely ny tranon-jaza ary avy ao no miraraka ny ra rehefa tonga ny fotoana, indrindra rehefa tsisy fitsahina na koa hoe tsy misy vohoka. Mihontana sy mikainko ny tranon-jaza rehefa hamoaka ny ra ka izay no mahatonga ny fanaintainana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...