Rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina toa izao dia isan'ny taova mora andairan'ny aretina ny orona. Ao anatin'ny orona dia ahitana kambon'orona izay ilaina, ary misy karazany telo ireo : kambon'orona ambany, ampovoany ary ny ambony. Misy lavaka miisa roa amin'ny faritra ambonin'ny orona, ireo dia mampifandray ny orina amin'ny tenda sy ny sofina. Ahitana retsika mifandray amin'ny atidoha mba ahafahana mandray sy mamantatra fofona. Ny asan'ny orona dia ifohana rivotra.

Rivotra izay fohana amin'ny orona dia mandalo ny tenda sy ny avokavoka, mba ahafahan'ny vatana manontolo miaina tsara ; noho izany raha misy olana ny orona dia misy faritra amin'ny vatan'olombelona tojo tsy fahatomombanana. Ny karazan'aretina mety hiatra amin'ny orona : sery, gripa, tsy fahazakana zavatra, sinozita, kambon'orona...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...